Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាស់សហ្វហ្វាត   វាក្យខណ្ឌ:
فَكَذَّبُوهُ فَإِنَّهُمۡ لَمُحۡضَرُونَ
Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga Izy, tena marina fa izy ireo dia ho ao (anatin’ny afobe).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
سَلَٰمٌ عَلَىٰٓ إِلۡ يَاسِينَ
“ Fiadanana anie ho amin’I Iliyasa sy ireo mpanaraka azy ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Tena marina fa izy dia anisan'ireo mpanomponay mpino.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِنَّ لُوطٗا لَّمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ary tena marina fa i Lota dia anisan’ireo iraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِذۡ نَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥٓ أَجۡمَعِينَ
Rehefa navotanay izy sy ny fianakaviany manontolo
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِلَّا عَجُوزٗا فِي ٱلۡغَٰبِرِينَ
Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ دَمَّرۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ
Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِنَّكُمۡ لَتَمُرُّونَ عَلَيۡهِم مُّصۡبِحِينَ
Ary marina fa ianareo dia tena mandalo eo amin’izy ireo amin’ny maraina
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَبِٱلَّيۡلِۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Sy amin’ny alina. Moa ve tsy mba misaina ianareo?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِنَّ يُونُسَ لَمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ary marina fa i Younouss (Jonasy) dia anisan’ireo iraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِذۡ أَبَقَ إِلَى ٱلۡفُلۡكِ ٱلۡمَشۡحُونِ
Rehefa nandositra tamin’ilay sambo feno izy
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَسَاهَمَ فَكَانَ مِنَ ٱلۡمُدۡحَضِينَ
Dia nandray anjara tamin’ny ankitsapaka ka voatendry ho anisan’ny atsipy (anatin’ny ranomasina) izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَٱلۡتَقَمَهُ ٱلۡحُوتُ وَهُوَ مُلِيمٞ
Ka natelin’ny trondro izy fa mendrika omena tsiny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَلَوۡلَآ أَنَّهُۥ كَانَ مِنَ ٱلۡمُسَبِّحِينَ
Raha tsy anisan’ireo mpidera ny voninahitr’i Allah izy
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَلَبِثَ فِي بَطۡنِهِۦٓ إِلَىٰ يَوۡمِ يُبۡعَثُونَ
Dia tokony ho tavela tao anatin’ny kibony (trondro) mandra-pahatonga ny andro hananganana azy amin’ny maty.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ فَنَبَذۡنَٰهُ بِٱلۡعَرَآءِ وَهُوَ سَقِيمٞ
Natsipinay teny an-tanety izy ary izy dia tsy salama.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَنۢبَتۡنَا عَلَيۡهِ شَجَرَةٗ مِّن يَقۡطِينٖ
Ary dia nampanirianay voatavo ny teo amboniny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَرۡسَلۡنَٰهُ إِلَىٰ مِاْئَةِ أَلۡفٍ أَوۡ يَزِيدُونَ
Ary nalefanay izy (ho mpaminany) tany amin’ny vahoaka iray hetsy na mihoatra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَـَٔامَنُواْ فَمَتَّعۡنَٰهُمۡ إِلَىٰ حِينٖ
Koa nino izy ireo ary nomenay azy ireo ny fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَٱسۡتَفۡتِهِمۡ أَلِرَبِّكَ ٱلۡبَنَاتُ وَلَهُمُ ٱلۡبَنُونَ
Hametrao fanontaniana àry izy ireo: “ Moa ve ho an’ny Tomponao ireo zazavavy ary ho azy ireo ny zazalahy?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَمۡ خَلَقۡنَا ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ إِنَٰثٗا وَهُمۡ شَٰهِدُونَ
Na noharianay ho vavy ireo anjely ary izy ireo no vavolombelona?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَآ إِنَّهُم مِّنۡ إِفۡكِهِمۡ لَيَقُولُونَ
Marina fa izy ireo dia niteny tamin’ny lainga nataon’izy ireo hoe
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَدَ ٱللَّهُ وَإِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ
“Nanan-janaka I Allah” ary marina fa izy ireo dia tena mpandainga
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَصۡطَفَى ٱلۡبَنَاتِ عَلَى ٱلۡبَنِينَ
Moa ve tsy nisafidy ireo zaza vavy Izy noho ireo zaza lahy ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាស់សហ្វហ្វាត
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ