Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: សាហ្ពាក   វាក្យខណ្ឌ:

Saba'

ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَهُ ٱلۡحَمۡدُ فِي ٱلۡأٓخِرَةِۚ وَهُوَ ٱلۡحَكِيمُ ٱلۡخَبِيرُ
Dera hoan’i Allah Tompon’izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany. ary Azy ny fiderana any an-koatra ary Izy no ilay be faendrena , ilay mahalala tongalafatra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَعۡلَمُ مَا يَلِجُ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا يَخۡرُجُ مِنۡهَا وَمَا يَنزِلُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ وَمَا يَعۡرُجُ فِيهَاۚ وَهُوَ ٱلرَّحِيمُ ٱلۡغَفُورُ
Fantany izay miditra amin’ny tany sy izay mivoka avy ao, ary koa, izay midina avy eny amin’ny lanitra sy izay miakatra eny. fa Izy no ilay be indrafo, ilay mpamela heloka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَا تَأۡتِينَا ٱلسَّاعَةُۖ قُلۡ بَلَىٰ وَرَبِّي لَتَأۡتِيَنَّكُمۡ عَٰلِمِ ٱلۡغَيۡبِۖ لَا يَعۡزُبُ عَنۡهُ مِثۡقَالُ ذَرَّةٖ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَلَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَآ أَصۡغَرُ مِن ذَٰلِكَ وَلَآ أَكۡبَرُ إِلَّا فِي كِتَٰبٖ مُّبِينٖ
Hoy ireo tsy mpino : “ tsy ho avy aminay ilay Ora ”. lazao hoe : “ marina eo anatrehan’ny Tompoko! fa tsy maintsy ho avy aminareo tokoa izany. Mahafantatra ny zava-miafina Izy. tsy misy miafina Aminy, na dia lanjan-javatra kely iray tsy hita maso (atoma) aza eny ambonin’ny tany, na any an-danitra, na bitika kokoa noho izany aza, na lehibe dia efa voasoratra ao amin’ny bokim-pahazavana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لِّيَجۡزِيَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَرِزۡقٞ كَرِيمٞ
Mba hamaliana soa izay mino sy manao asa soa. hahazo famelan-keloka sy fanomezana sesehena izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلَّذِينَ سَعَوۡ فِيٓ ءَايَٰتِنَا مُعَٰجِزِينَ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٞ مِّن رِّجۡزٍ أَلِيمٞ
Ary ireo izay miezaka manao tsinontsinona ny teninay, dia izy ireny no hahazo sazy amin’ny fampijaliana mamirifiry.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيَرَى ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ ٱلَّذِيٓ أُنزِلَ إِلَيۡكَ مِن رَّبِّكَ هُوَ ٱلۡحَقَّ وَيَهۡدِيٓ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡحَمِيدِ
Ary ireo nomena fahalalana, dia mahita fa izay nampidinina teo aminao, avy amin’ny Tomponao no fahamarinana, izay mitarika ho any amin’ny làlan’ilay tsitoha, ilay mendri-piderana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ هَلۡ نَدُلُّكُمۡ عَلَىٰ رَجُلٖ يُنَبِّئُكُمۡ إِذَا مُزِّقۡتُمۡ كُلَّ مُمَزَّقٍ إِنَّكُمۡ لَفِي خَلۡقٖ جَدِيدٍ
Ary hoy ireo tsy mpino; “ tianareo va ny hanehoanay aminareo ilay olona milaza, fa rehefa potika tanteraka ianareo, dia tsy isalasalana fa hiseho ho voahary vaovao indray.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًا أَم بِهِۦ جِنَّةُۢۗ بَلِ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ فِي ٱلۡعَذَابِ وَٱلضَّلَٰلِ ٱلۡبَعِيدِ
Mamoron-dainga hanoherana an’i Allah va izy ? Sa adala ? ”, (Tsia) fa iharan’ny famaizana sy ny fahaverezana tanteraka, izay tsy mino ny any an-koatra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَفَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَىٰ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِن نَّشَأۡ نَخۡسِفۡ بِهِمُ ٱلۡأَرۡضَ أَوۡ نُسۡقِطۡ عَلَيۡهِمۡ كِسَفٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّكُلِّ عَبۡدٖ مُّنِيبٖ
Tsy hitan’izy ireo va, ny lanitra sy ny tany izay eo aloha sy aorian’izy ireo? raha tianay dia nasainay natelin’ny tany izy ireo, na koa hisy sombiny amin’ny lanitra hilatsaka amin’izy ireo. misy porofo tokoa amin’izany ho an’izay mpanompo rehetra mibebaka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا دَاوُۥدَ مِنَّا فَضۡلٗاۖ يَٰجِبَالُ أَوِّبِي مَعَهُۥ وَٱلطَّيۡرَۖ وَأَلَنَّا لَهُ ٱلۡحَدِيدَ
Nomenay fahasoavana avy aty Aminay tokoa i Davida, ry tendrombohitra sy voromanidina, mamerena miaraka aminy ianareo (Teny fiderana an’i Allah). ary dia nataonay nalefaka teo anatrehany ny vy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَنِ ٱعۡمَلۡ سَٰبِغَٰتٖ وَقَدِّرۡ فِي ٱلسَّرۡدِۖ وَٱعۡمَلُواْ صَٰلِحًاۖ إِنِّي بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٞ
(amin’ny fitenenana aminy manao hoe ) : “ Mandraria akanjo vy ianao, ary refeso tsara ny masony ”. ary aoka ianareo hanao ny tsara. fa mahita izay ataonareo Aho.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلِسُلَيۡمَٰنَ ٱلرِّيحَ غُدُوُّهَا شَهۡرٞ وَرَوَاحُهَا شَهۡرٞۖ وَأَسَلۡنَا لَهُۥ عَيۡنَ ٱلۡقِطۡرِۖ وَمِنَ ٱلۡجِنِّ مَن يَعۡمَلُ بَيۡنَ يَدَيۡهِ بِإِذۡنِ رَبِّهِۦۖ وَمَن يَزِغۡ مِنۡهُمۡ عَنۡ أَمۡرِنَا نُذِقۡهُ مِنۡ عَذَابِ ٱلسَّعِيرِ
Ary nataonay teo ambanin’ny fahefan’i Soulaiman ny rivotra, izay nandeha nitovy amin’ny vita ao anatin’ny iray volana ny maraina, ary mitovy amin’ny iray volana ihany koa ny hariva. Ary nataonay nikoriana ho an’i Soulaiman ny loharam-barahina. Nisy jiny niasa teo ambany fahefany, alàlana avy amin’ny Tompony. Fa izay tsy nanaraka ny didinay tamin’izy ireo, dia nampanandramanay ny sazin’ny afo mamaivay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَعۡمَلُونَ لَهُۥ مَا يَشَآءُ مِن مَّحَٰرِيبَ وَتَمَٰثِيلَ وَجِفَانٖ كَٱلۡجَوَابِ وَقُدُورٖ رَّاسِيَٰتٍۚ ٱعۡمَلُوٓاْ ءَالَ دَاوُۥدَ شُكۡرٗاۚ وَقَلِيلٞ مِّنۡ عِبَادِيَ ٱلشَّكُورُ
Nanatanteraka arak’izay tiany ho azy izy ireo : toerana masina, sarivongana, lovia fasika lehibe, ary vilany. « Ry fianakavian’i Davida, miasà ho fankasitrahana Azy, nefa vitsy amin’ireo mpanompoko no mahay mankasitraka ».
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَلَمَّا قَضَيۡنَا عَلَيۡهِ ٱلۡمَوۡتَ مَا دَلَّهُمۡ عَلَىٰ مَوۡتِهِۦٓ إِلَّا دَآبَّةُ ٱلۡأَرۡضِ تَأۡكُلُ مِنسَأَتَهُۥۖ فَلَمَّا خَرَّ تَبَيَّنَتِ ٱلۡجِنُّ أَن لَّوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ ٱلۡغَيۡبَ مَا لَبِثُواْ فِي ٱلۡعَذَابِ ٱلۡمُهِينِ
Ary rehefa nanapa-kevitra ny amin’ny fahafatesany Izahay, dia tsy nisy afaka nampilaza azy ireo ny amin’izany, afa tsy ny bibin’ny tany izay nikiky ny tehiny. ary rehefa lavo izy, dia hitan’ireo djiny tamin’izay fa raha tena nahafantatra ny zava-miafina izy ireo, dia tsy nijanona tamin’ny famaizana mahafabaraka (tamin’ny fankatoavana ny baiko).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَقَدۡ كَانَ لِسَبَإٖ فِي مَسۡكَنِهِمۡ ءَايَةٞۖ جَنَّتَانِ عَن يَمِينٖ وَشِمَالٖۖ كُلُواْ مِن رِّزۡقِ رَبِّكُمۡ وَٱشۡكُرُواْ لَهُۥۚ بَلۡدَةٞ طَيِّبَةٞ وَرَبٌّ غَفُورٞ
Nisy famantarana tokoa tamin’ny fonenan’ny fokon’i Saba : zaridaiana roa, ny iray eo ankavanana, ary ny iray eo ankavia.« Mihinàna amin’izay nomen’ny Tomponareo ho anareo ianareo, ary mahaiza mankasitraka Azy. fa tanàna tsara izany, ary ny Tompo mpamela heloka ».
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَأَعۡرَضُواْ فَأَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ سَيۡلَ ٱلۡعَرِمِ وَبَدَّلۡنَٰهُم بِجَنَّتَيۡهِمۡ جَنَّتَيۡنِ ذَوَاتَيۡ أُكُلٍ خَمۡطٖ وَأَثۡلٖ وَشَيۡءٖ مِّن سِدۡرٖ قَلِيلٖ
Nefa dia nanome lamosina izy ireo ka navarinay tamin’izy ireo ny ranon’ny tohadrano, ary novainay ho zaridaina feno voninkazo mangidy, sy hazo madilo ary tsinefy vitsivitsy, ireo zaridaina ny anankiroa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَٰلِكَ جَزَيۡنَٰهُم بِمَا كَفَرُواْۖ وَهَلۡ نُجَٰزِيٓ إِلَّا ٱلۡكَفُورَ
Izany no fomba namalianay azy ireo, noho ny tsy finoany. moa hanasazy olon-kafa, afa-tsy ireo tsy mpino va Izahay ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَجَعَلۡنَا بَيۡنَهُمۡ وَبَيۡنَ ٱلۡقُرَى ٱلَّتِي بَٰرَكۡنَا فِيهَا قُرٗى ظَٰهِرَةٗ وَقَدَّرۡنَا فِيهَا ٱلسَّيۡرَۖ سِيرُواْ فِيهَا لَيَالِيَ وَأَيَّامًا ءَامِنِينَ
Ary dia nasianay tanàna lehibe hafa manelanelana azy ireo, sy ireo tanàna voatsodranonay, ka nokajianay ireo fiantoana an-dàlana manelanelana azy ireo. « Mandehana amim-pilaminana eo anelanelan’izany ianareo, mandritra ny andro sy ny alina ».
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَقَالُواْ رَبَّنَا بَٰعِدۡ بَيۡنَ أَسۡفَارِنَا وَظَلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ فَجَعَلۡنَٰهُمۡ أَحَادِيثَ وَمَزَّقۡنَٰهُمۡ كُلَّ مُمَزَّقٍۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّكُلِّ صَبَّارٖ شَكُورٖ
Ary hoy izy ireo : « Tomponay o ! halavao ny elanelana misy amin’ireo fiantoana eny an-dàlana, ary dia nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany izy ireo. Nataonay ho tantara mipetraka ny mikasika azy ireo, ary dia nopotehinay tanteraka. Misy fampitandremana tokoa amin’izany ho an’ireo izay manam-paharetana sy mahay mankasitraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَقَدۡ صَدَّقَ عَلَيۡهِمۡ إِبۡلِيسُ ظَنَّهُۥ فَٱتَّبَعُوهُ إِلَّا فَرِيقٗا مِّنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary hamafisina, fa nohamarin’i satana ny eritreriny mikasika azy ireo. ka nanaraka azy ireo, afa-tsy ampahany tamin’ireo mpino ihany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَا كَانَ لَهُۥ عَلَيۡهِم مِّن سُلۡطَٰنٍ إِلَّا لِنَعۡلَمَ مَن يُؤۡمِنُ بِٱلۡأٓخِرَةِ مِمَّنۡ هُوَ مِنۡهَا فِي شَكّٖۗ وَرَبُّكَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ حَفِيظٞ
Ary tsy nanana fahefana tamin’izy ireo mihitsy izy, raha tsy Izahay no te-hanavaka izay mino ny an-koatra, sy izay misalasala. fa miahy ny zavatra rehetra ny Tomponao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلِ ٱدۡعُواْ ٱلَّذِينَ زَعَمۡتُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ لَا يَمۡلِكُونَ مِثۡقَالَ ذَرَّةٖ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَلَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا لَهُمۡ فِيهِمَا مِن شِرۡكٖ وَمَا لَهُۥ مِنۡهُم مِّن ظَهِيرٖ
Dia lazao hoe : Antsoy ireo izay ihamboanareo (ho tompo) ankoatra an’i Allah, tsy manana na dia zavatra iray kely indrindra (atoma) akory aza izy ireny, na any an-danitra na ety an-tany, tsy niaraka taminy izy ireo tamin’ny famoronana, ary tsy misy afaka hanampy azy amin’izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَنفَعُ ٱلشَّفَٰعَةُ عِندَهُۥٓ إِلَّا لِمَنۡ أَذِنَ لَهُۥۚ حَتَّىٰٓ إِذَا فُزِّعَ عَن قُلُوبِهِمۡ قَالُواْ مَاذَا قَالَ رَبُّكُمۡۖ قَالُواْ ٱلۡحَقَّۖ وَهُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡكَبِيرُ
Tsy misy mahazo tombotsoa amin’ny fanelanelanana eo Aminy, afa-tsy izay nomeny alalana ihany. rehefa nanalavitra ny fony ny tahotra, dia hiteny izy ireo hoe : “ Inona no nambaran’ny Tomponareo ? ”. dia hamaly izy ireo hoe : “ ny fahamarinana, fa Izy no ilay avo indrindra, ilay lehibe indrindra ! ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ قُلۡ مَن يَرۡزُقُكُم مِّنَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ قُلِ ٱللَّهُۖ وَإِنَّآ أَوۡ إِيَّاكُمۡ لَعَلَىٰ هُدًى أَوۡ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Dia lazao hoe : “ Iza no manome anjaram-pivelomana anareo avy any an-danitra sy ety an-tany ? ”. Valio hoe : “ Allah. Izahay va sa ianareo no amin’ny làlana tsara, na amin’ny làlan’ny fahaverezana miharihary ? ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُل لَّا تُسۡـَٔلُونَ عَمَّآ أَجۡرَمۡنَا وَلَا نُسۡـَٔلُ عَمَّا تَعۡمَلُونَ
Lazao hoe : “ Tsy hanontaniana mikasika izay heloka nataonay ianareo, ary izahay koa tsy hanonataniana ny mikasika izay nataonareo ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ يَجۡمَعُ بَيۡنَنَا رَبُّنَا ثُمَّ يَفۡتَحُ بَيۡنَنَا بِٱلۡحَقِّ وَهُوَ ٱلۡفَتَّاحُ ٱلۡعَلِيمُ
Lazao hoe : “ Hamory antsika ny Tompontsika, hitsara antsika amim-pahamarinana Izy, fa Izy no ilay mpitsara avo, ilay mahalala ny zava-drehetra ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ أَرُونِيَ ٱلَّذِينَ أَلۡحَقۡتُم بِهِۦ شُرَكَآءَۖ كَلَّاۚ بَلۡ هُوَ ٱللَّهُ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Lazao hoe : “ Asehoy ahy izay nataonareo ho mpitambatra Aminy. tsia ! fa Izy no ilay Tompo tsitoha, ilay be fahendrena ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ إِلَّا كَآفَّةٗ لِّلنَّاسِ بَشِيرٗا وَنَذِيرٗا وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Tsy nalefanay ianao afa-tsy ho mpilaza sy ho mpampitandrina ny olombelona rehetra, nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡوَعۡدُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ary hoy izy ireo :“ Rahoviana àry izany fampanantenana izany, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ? ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُل لَّكُم مِّيعَادُ يَوۡمٖ لَّا تَسۡتَـٔۡخِرُونَ عَنۡهُ سَاعَةٗ وَلَا تَسۡتَقۡدِمُونَ
Lazao hoe : “ Ny fotoana voatondro ho anareo,dia amin’ny andro iray izay tsy azonareo ahemotra ora iray, na ampandrosoina ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَن نُّؤۡمِنَ بِهَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانِ وَلَا بِٱلَّذِي بَيۡنَ يَدَيۡهِۗ وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذِ ٱلظَّٰلِمُونَ مَوۡقُوفُونَ عِندَ رَبِّهِمۡ يَرۡجِعُ بَعۡضُهُمۡ إِلَىٰ بَعۡضٍ ٱلۡقَوۡلَ يَقُولُ ٱلَّذِينَ ٱسۡتُضۡعِفُواْ لِلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُواْ لَوۡلَآ أَنتُمۡ لَكُنَّا مُؤۡمِنِينَ
Ary hoy ireo tsy mpino : “ Tsy hino io kor’any io velively izahay, na izay tonga teo alohany. ary raha hitanao ireo mpanao ny tsy rariny hitsangana eo anatrehan’ny Tompony, hifanome teny izy ireo ! ka hiteny amin’ireo mpirehareha ireo izay noheverina ho osa hoe : “ raha tsy teo ianareo, dia ho mpino izahay ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالَ ٱلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُواْ لِلَّذِينَ ٱسۡتُضۡعِفُوٓاْ أَنَحۡنُ صَدَدۡنَٰكُمۡ عَنِ ٱلۡهُدَىٰ بَعۡدَ إِذۡ جَآءَكُمۖ بَلۡ كُنتُم مُّجۡرِمِينَ
Dia hiteny amin’ireo izay noheverina ho osa ireo mpirehareha hoe : “ Izahay va no nanakana anareo tamin’ny làlana tsara, rehefa tonga taminareo izany ? Ianareo mihitsy aza no tena mpanao ratsy ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ ٱسۡتُضۡعِفُواْ لِلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُواْ بَلۡ مَكۡرُ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ إِذۡ تَأۡمُرُونَنَآ أَن نَّكۡفُرَ بِٱللَّهِ وَنَجۡعَلَ لَهُۥٓ أَندَادٗاۚ وَأَسَرُّواْ ٱلنَّدَامَةَ لَمَّا رَأَوُاْ ٱلۡعَذَابَۚ وَجَعَلۡنَا ٱلۡأَغۡلَٰلَ فِيٓ أَعۡنَاقِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۖ هَلۡ يُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ary dia hiteny amin’ireo mpirehareha , ireo noheverina ho osa hoe : “ Tetika nataonareo andro aman’alina ny nandidianareo anay tsy hino an’i Allah, sy hanana zavatra ampitoviana Aminy ”. ary dia hanafina ny fanenenany izy ireo, rehefa hahita ny famaizana. hasianay rojo-vy amin’ny tendan’izay tsy nino, moa tsy ho valiana arak’izay nataony va izy ireo ? ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا فِي قَرۡيَةٖ مِّن نَّذِيرٍ إِلَّا قَالَ مُتۡرَفُوهَآ إِنَّا بِمَآ أُرۡسِلۡتُم بِهِۦ كَٰفِرُونَ
Ary tsy nandefa mpampitandrina tamin’ny tanàna iray Izahay, ka tsy niteny ireo olona tsara fari-piainana hoe : “ Tsy mino ny hafatra izay nandefasana anareo izahay ! ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَالُواْ نَحۡنُ أَكۡثَرُ أَمۡوَٰلٗا وَأَوۡلَٰدٗا وَمَا نَحۡنُ بِمُعَذَّبِينَ
Ary hoy izy ireo : “ Manankarena sy maro anaka izahay, ka tsy hosaziana ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ إِنَّ رَبِّي يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ وَيَقۡدِرُ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany ny Tompoko, na mametra izany. nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَآ أَمۡوَٰلُكُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُكُم بِٱلَّتِي تُقَرِّبُكُمۡ عِندَنَا زُلۡفَىٰٓ إِلَّا مَنۡ ءَامَنَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا فَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ جَزَآءُ ٱلضِّعۡفِ بِمَا عَمِلُواْ وَهُمۡ فِي ٱلۡغُرُفَٰتِ ءَامِنُونَ
Tsy hampanakaiky anareo Aminay mihitsy, ny harenanareo sy ny zanakareo, afa-tsy izay mino sy manao ny tsara. mahazo valisoa avo roa heny amin’izay nataony izy ireo, ary tsy hiaina amim-pilaminana any amin’ny rihana ambony (any amin'ny Paradisa).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلَّذِينَ يَسۡعَوۡنَ فِيٓ ءَايَٰتِنَا مُعَٰجِزِينَ أُوْلَٰٓئِكَ فِي ٱلۡعَذَابِ مُحۡضَرُونَ
Fa ireo izay miezaka ny tsy hampisy lanjany ny tenanay kosa, dia tsy maintsy hiatrika ny famaizana izy ireny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ إِنَّ رَبِّي يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦ وَيَقۡدِرُ لَهُۥۚ وَمَآ أَنفَقۡتُم مِّن شَيۡءٖ فَهُوَ يُخۡلِفُهُۥۖ وَهُوَ خَيۡرُ ٱلرَّٰزِقِينَ
Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony ny Tompoko, na mametra izany. ka honerany izay fanomezana ataonareo. fa Izy no mpanome mendrika indrindra ny anjaram-pivelomana ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيَوۡمَ يَحۡشُرُهُمۡ جَمِيعٗا ثُمَّ يَقُولُ لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ أَهَٰٓؤُلَآءِ إِيَّاكُمۡ كَانُواْ يَعۡبُدُونَ
Ary hangoniny avokoa ianareo indray andro any. dia hiteny amin’ireo Anjely Izy hoe : “ Ianareo va no notompoin’izy ireo ? ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالُواْ سُبۡحَٰنَكَ أَنتَ وَلِيُّنَا مِن دُونِهِمۖ بَلۡ كَانُواْ يَعۡبُدُونَ ٱلۡجِنَّۖ أَكۡثَرُهُم بِهِم مُّؤۡمِنُونَ
Hilaza izy ireo hoe : “ Voninahitra ho Anao ! Ianao no mpiahy anay, fa tsy izy ireo akory. Djiny no notompoin’izy ireo, ka nino azy ireny ny ankamaroany ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَٱلۡيَوۡمَ لَا يَمۡلِكُ بَعۡضُكُمۡ لِبَعۡضٖ نَّفۡعٗا وَلَا ضَرّٗا وَنَقُولُ لِلَّذِينَ ظَلَمُواْ ذُوقُواْ عَذَابَ ٱلنَّارِ ٱلَّتِي كُنتُم بِهَا تُكَذِّبُونَ
Amin’io andro io, dia tsy afaka hifanome tombotsoa , na hifanao ratsy intsony ianareo, fa izao kosa no hambaranay amin’ireo olona mpanao ny tsy rariny: “ Andramo ny famaizan’ny afo, izay nataonareo ho lainga ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُنَا بَيِّنَٰتٖ قَالُواْ مَا هَٰذَآ إِلَّا رَجُلٞ يُرِيدُ أَن يَصُدَّكُمۡ عَمَّا كَانَ يَعۡبُدُ ءَابَآؤُكُمۡ وَقَالُواْ مَا هَٰذَآ إِلَّآ إِفۡكٞ مُّفۡتَرٗىۚ وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لِلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَهُمۡ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٞ
Ary rehefa vakina amin’izy ireo ny andininy mazava avy Aminay, dia hoy izy ireo : “ olona te-hampiala anareo min’izay notompoin’ireo razam-benareo ihany io ” ary hoy izy ireo : ” Lainga noforonina ihany izany ”. ka hoy ireo tsy mpino, rehefa tonga eo amin’ireo ny marina : “ Fanova-maso (majika) miharihary mihitsy izao ! ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَآ ءَاتَيۡنَٰهُم مِّن كُتُبٖ يَدۡرُسُونَهَاۖ وَمَآ أَرۡسَلۡنَآ إِلَيۡهِمۡ قَبۡلَكَ مِن نَّذِيرٖ
Tsy nomenay ny boky hianarana izy ireo. ary tsy nandefasanay mpampitandrina mihitsy teo amin’izy ireo talohanao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَكَذَّبَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ وَمَا بَلَغُواْ مِعۡشَارَ مَآ ءَاتَيۡنَٰهُمۡ فَكَذَّبُواْ رُسُلِيۖ فَكَيۡفَ كَانَ نَكِيرِ
Nandà (ireo iraka) ireo talohan’izy ireo; tsy nahatratra ny ampahafolon’izay nomenay azy ireo ny an’ny mponin’ny Lameka. nataon’izy ireo ho mpandainga ireo iraka avy avy Amiko. ary nanao ahoana ny fanakianako (famaizako) azy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ قُلۡ إِنَّمَآ أَعِظُكُم بِوَٰحِدَةٍۖ أَن تَقُومُواْ لِلَّهِ مَثۡنَىٰ وَفُرَٰدَىٰ ثُمَّ تَتَفَكَّرُواْۚ مَا بِصَاحِبِكُم مِّن جِنَّةٍۚ إِنۡ هُوَ إِلَّا نَذِيرٞ لَّكُم بَيۡنَ يَدَيۡ عَذَابٖ شَدِيدٖ
Lazao hoe : “ Zavatra iray ihany no ampirisihako anareo, dia ny hitsangananareo ho an’i Allah tsiroaroa, na tsirairay, ka handinihanareo avy eo. tsy azon-javatra mihitsy ny namanareo (Mohamady), fa mpampitandrina hanambara aminareo manoloana ilay famaizana mafy ihany izy ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ مَا سَأَلۡتُكُم مِّنۡ أَجۡرٖ فَهُوَ لَكُمۡۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَى ٱللَّهِۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ شَهِيدٞ
Lazao hoe : " Ny tambiny izay hangatahiko aminareo, dia ho anareo ihany. satria Allah irery ihany no manome tambiny ahy".
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ إِنَّ رَبِّي يَقۡذِفُ بِٱلۡحَقِّ عَلَّٰمُ ٱلۡغُيُوبِ
Teneno hoe : “ Marina fa ny Tompoko dia mandefa ny fahamarinana (amin’ireo Irany).Izy Ilay tena Mahalala ny zava-mafina ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ جَآءَ ٱلۡحَقُّ وَمَا يُبۡدِئُ ٱلۡبَٰطِلُ وَمَا يُعِيدُ
Teneno hoe: “ Tonga ny marina (Islamo). Fa ny diso (ny tsy finoana) dia tsy afaka manohy intsony na mamerina indray ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ إِن ضَلَلۡتُ فَإِنَّمَآ أَضِلُّ عَلَىٰ نَفۡسِيۖ وَإِنِ ٱهۡتَدَيۡتُ فَبِمَا يُوحِيٓ إِلَيَّ رَبِّيٓۚ إِنَّهُۥ سَمِيعٞ قَرِيبٞ
Teneno hoe : “ Raha very làlana aho dia ny tenako ihany no ho very; fa raha voatari-dàlana kosa aho, dia noho ny fanambarana izay nalefan’ny Tompoko tamiko. Marina fa Izy dia Maheno ny zava-drehetra; sady Akaiky ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذۡ فَزِعُواْ فَلَا فَوۡتَ وَأُخِذُواْ مِن مَّكَانٖ قَرِيبٖ
Ary raha hitanao fa azon’ny tahotra izy ireo, ka tsy afa-mandositra, dia horaisina eo amin’ny toerana akaiky izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَالُوٓاْ ءَامَنَّا بِهِۦ وَأَنَّىٰ لَهُمُ ٱلتَّنَاوُشُ مِن مَّكَانِۭ بَعِيدٖ
Ary niteny izy ireo hoe: “ Mino Azy izahay ” Fa ahoana no hahazoan’izy ireo ny finoana avy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَدۡ كَفَرُواْ بِهِۦ مِن قَبۡلُۖ وَيَقۡذِفُونَ بِٱلۡغَيۡبِ مِن مَّكَانِۭ بَعِيدٖ
Nefa izy ireo teo aloha, dia tsy nino an’izany, ary nitsipaka ny miafina rehetra avy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَحِيلَ بَيۡنَهُمۡ وَبَيۡنَ مَا يَشۡتَهُونَ كَمَا فُعِلَ بِأَشۡيَاعِهِم مِّن قَبۡلُۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ فِي شَكّٖ مُّرِيبِۭ
Ary nametrahana sakana teo anelanelan’izy ireo sy izay tsiriritin’izy ireo, tahaka izay natao tamin’ireo izay nitovy taminy teo aloha, satria izy ireo dia tena tao anatin’ny fisalasalana lalina.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: សាហ្ពាក
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ