Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាលីអុិមរ៉ន   វាក្យខណ្ឌ:
لَن تَنَالُواْ ٱلۡبِرَّ حَتَّىٰ تُنفِقُواْ مِمَّا تُحِبُّونَۚ وَمَا تُنفِقُواْ مِن شَيۡءٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ بِهِۦ عَلِيمٞ
Tsy hahazo ilay fahasoavana velively ianareo raha tsy mahafoy manome izay zavatra tianareo. Ary izay zavatra rehetra afoinareo, dia Allah no tena mahafantatra izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ كُلُّ ٱلطَّعَامِ كَانَ حِلّٗا لِّبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ إِلَّا مَا حَرَّمَ إِسۡرَٰٓءِيلُ عَلَىٰ نَفۡسِهِۦ مِن قَبۡلِ أَن تُنَزَّلَ ٱلتَّوۡرَىٰةُۚ قُلۡ فَأۡتُواْ بِٱلتَّوۡرَىٰةِ فَٱتۡلُوهَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ny sakafo rehetra fahiny dia azo ho hanina (Halal) [52] ho an’ny zanak’Israely, afa-tsy izay noraran’ny Israely (Haramo) [53] tamin’ny tenany talohan’ny nampidinana ny Taoraty. Teneno hoe : “ Ento eto ny Boky Taoraty ka vakio, raha marina izay lazainareo ! ”
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَمَنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ka izay mamorona lainga mikasika an’i Allah taorian’izany, dia izy ireo no mpanao ny tsy rariny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ صَدَقَ ٱللَّهُۗ فَٱتَّبِعُواْ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِيمَ حَنِيفٗاۖ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Teneno hoe: “ Nilaza ny marina i Allah ” Ka arahinareo ny finoan’i Ibrahimo izay fanompoana an’i Allah irery ihany, madio mangarahara ary tsy mba anisan’ireo mpanompo sampy Izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ أَوَّلَ بَيۡتٖ وُضِعَ لِلنَّاسِ لَلَّذِي بِبَكَّةَ مُبَارَكٗا وَهُدٗى لِّلۡعَٰلَمِينَ
Tena marina fa ny trano naorina voalohany indrindra ho an’ny Olombelona, dia izay ao Bakka [54] (Makka) feno fahasoavana sy tari-dàlana ho an’izao tontolo izao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فِيهِ ءَايَٰتُۢ بَيِّنَٰتٞ مَّقَامُ إِبۡرَٰهِيمَۖ وَمَن دَخَلَهُۥ كَانَ ءَامِنٗاۗ وَلِلَّهِ عَلَى ٱلنَّاسِ حِجُّ ٱلۡبَيۡتِ مَنِ ٱسۡتَطَاعَ إِلَيۡهِ سَبِيلٗاۚ وَمَن كَفَرَ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَنِيٌّ عَنِ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Misy famantarana mazava maro ao Aminy, toerana izay nitsanganan’i Ibrahimo. Ary izay miditra ao dia mahita fandriampahalemana. Adidin’ny Olombelona Amin’i Allah ho an’izay manan-katao no mankany, manatanteraka ny Hajy, amin’ilay trano masina. Ary ho an’izay tsy nino, dia hamafisina fa tsy miantehitra amin’izao tontolo izao i Allah.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تَكۡفُرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَٱللَّهُ شَهِيدٌ عَلَىٰ مَا تَعۡمَلُونَ
Teneno hoe : “ Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no tsy mino an’ireo fanambaran’i Allah, nefa i Allah dia vavolombelon’izay rehetra Ataonareo ”
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ مَنۡ ءَامَنَ تَبۡغُونَهَا عِوَجٗا وَأَنتُمۡ شُهَدَآءُۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ
Teneno hoe: “ Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no manakana izay mino mankany amin’ny làlan’i Allah ilainareo avily izany, ka nefa Ianareo dia vavolombelona manoloana ny fahamarinana ! ”.ary i Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra Ataonareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِن تُطِيعُواْ فَرِيقٗا مِّنَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ يَرُدُّوكُم بَعۡدَ إِيمَٰنِكُمۡ كَٰفِرِينَ
Ô Ianareo izay nino ! Raha mankato ny andiany amin’ireo izay nomena ny Boky Ianareo, dia hamerina Anareo ho lasa tsy mpino izy ireo, taorian’ny finoana izay efa Nanananareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាលីអុិមរ៉ន
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ