Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់ហ្វូរកន   វាក្យខណ្ឌ:
أَمۡ تَحۡسَبُ أَنَّ أَكۡثَرَهُمۡ يَسۡمَعُونَ أَوۡ يَعۡقِلُونَۚ إِنۡ هُمۡ إِلَّا كَٱلۡأَنۡعَٰمِ بَلۡ هُمۡ أَضَلُّ سَبِيلًا
Na koa mihevitra ve ianao fa ny ankamaroan’izy ireo dia maheno tokoa na misaina ? Tsy misy mitovy amin’izy ireo afa-tsy ireo biby, fa raha ny marina dia izy ireo no tena very lalana tokoa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَمۡ تَرَ إِلَىٰ رَبِّكَ كَيۡفَ مَدَّ ٱلظِّلَّ وَلَوۡ شَآءَ لَجَعَلَهُۥ سَاكِنٗا ثُمَّ جَعَلۡنَا ٱلشَّمۡسَ عَلَيۡهِ دَلِيلٗا
Moa ve tsy hitanao, ahoana no namelaran’i Tomponao ny aloka ? Ary raha ny sitrany dia nataony tsy nihetsika izany. Avy eo dia nataonay ny masoandro, ho mpamaritra azy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ قَبَضۡنَٰهُ إِلَيۡنَا قَبۡضٗا يَسِيرٗا
Avy eo dia noraisinay an-kamorana mankaty Aminay izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَهُوَ ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلَّيۡلَ لِبَاسٗا وَٱلنَّوۡمَ سُبَاتٗا وَجَعَلَ ٱلنَّهَارَ نُشُورٗا
Ary Izy no nanao ny alina ho fitafy ho anareo, sy ny torimaso ho fialan-tsasatra, ary nanao ny andro ho fiverenana amin’ny asa aman-draharaha.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَهُوَ ٱلَّذِيٓ أَرۡسَلَ ٱلرِّيَٰحَ بُشۡرَۢا بَيۡنَ يَدَيۡ رَحۡمَتِهِۦۚ وَأَنزَلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ طَهُورٗا
Ary Izy no nandefa ireo rivotra, mba ho filazana mialoha ny Indrafony. Ary nampidinanay avy eny an-danitra ny rano madio sy manadio.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لِّنُحۡـِۧيَ بِهِۦ بَلۡدَةٗ مَّيۡتٗا وَنُسۡقِيَهُۥ مِمَّا خَلَقۡنَآ أَنۡعَٰمٗا وَأَنَاسِيَّ كَثِيرٗا
Mba hamelomanay amin’ny alalan’izany ny tanana efa maty, sy hampisotronay ireo izay noharianay, dia ireo biby (fiompy) sy olombelona maro.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَقَدۡ صَرَّفۡنَٰهُ بَيۡنَهُمۡ لِيَذَّكَّرُواْ فَأَبَىٰٓ أَكۡثَرُ ٱلنَّاسِ إِلَّا كُفُورٗا
Ary efa notsinjaranay teo amin’izy ireo izany (rano) mba hahatsiarovan’izy ireo (Anay), nefa ny ankamaroan’ny olona dia nandà, (ary tsy nanao)afa-tsy ny fikomiana ihany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَوۡ شِئۡنَا لَبَعَثۡنَا فِي كُلِّ قَرۡيَةٖ نَّذِيرٗا
Raha sitrakay dia nandefasanay mpampitandrina isaky ny tanàna tsirairay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَلَا تُطِعِ ٱلۡكَٰفِرِينَ وَجَٰهِدۡهُم بِهِۦ جِهَادٗا كَبِيرٗا
Ka aoka ianao tsy hankatò ireo tsy mpino, ary miadia mafy ianao amin’izy ireo amin’ny alalan’ity (Kor’any ity).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ وَهُوَ ٱلَّذِي مَرَجَ ٱلۡبَحۡرَيۡنِ هَٰذَا عَذۡبٞ فُرَاتٞ وَهَٰذَا مِلۡحٌ أُجَاجٞ وَجَعَلَ بَيۡنَهُمَا بَرۡزَخٗا وَحِجۡرٗا مَّحۡجُورٗا
Ary Izy no nampikoriana ireo ranomasina roa, ny anankiray dia mamy manala hetaheta, ny iray hafa kosa dia masina sy mangidy. Ary nasiny elanelana eo amin’izy roa, sy sakana tsy azo dinganina.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَهُوَ ٱلَّذِي خَلَقَ مِنَ ٱلۡمَآءِ بَشَرٗا فَجَعَلَهُۥ نَسَبٗا وَصِهۡرٗاۗ وَكَانَ رَبُّكَ قَدِيرٗا
Ary Izy no nahary avy amin’ny rano ny olombelona, ka nataony mifandray izy ireo amin’ny alalan’ny rohim-pihavanana sy rohim-panambadiana. Ary ny Tomponao dia manam-pahefana (amin’ny zava-drehetra).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَنفَعُهُمۡ وَلَا يَضُرُّهُمۡۗ وَكَانَ ٱلۡكَافِرُ عَلَىٰ رَبِّهِۦ ظَهِيرٗا
Ary izy ireo dia manompo ankoatr'I Allah, izay tsy manome tombontsoa azy ireo sy tsy manome fahoriana. Ary ny tsy mpino dia manampy lalandava ny fahavalo amin’ny fanoherana ny Tompony.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់ហ្វូរកន
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ