Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់ហាជ្ជ   វាក្យខណ្ឌ:

Al-hajj

يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱتَّقُواْ رَبَّكُمۡۚ إِنَّ زَلۡزَلَةَ ٱلسَّاعَةِ شَيۡءٌ عَظِيمٞ
Ry olombelona, matahora ny Tomponareo ianareo ! Ny fihozongozonan’ilay Ora (Andro Farany) dia tena zava-dehibe (mampihorohoro).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَوۡمَ تَرَوۡنَهَا تَذۡهَلُ كُلُّ مُرۡضِعَةٍ عَمَّآ أَرۡضَعَتۡ وَتَضَعُ كُلُّ ذَاتِ حَمۡلٍ حَمۡلَهَا وَتَرَى ٱلنَّاسَ سُكَٰرَىٰ وَمَا هُم بِسُكَٰرَىٰ وَلَٰكِنَّ عَذَابَ ٱللَّهِ شَدِيدٞ
Amin’ny andro izay hahitanareo izany, ny vehivavy mampinono rehetra dia hanadino (ny zanany) izay hampinonoiny, ary ny vehivavy bevohoka dia ho afa-jaza (tsy fidiny). Ary hahita ny olona ho mamo ianao nefa izy ireo tsy mamo fa ny famaizan'I Allah dia mahery vaika tokoa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يُجَٰدِلُ فِي ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٖ وَيَتَّبِعُ كُلَّ شَيۡطَٰنٖ مَّرِيدٖ
Misy amin’ny olombelona miady hevitra mahakasika an’i Allah tsy amim-pahalalana ary manaraka ny devoly rehetra, ilay mpikomy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كُتِبَ عَلَيۡهِ أَنَّهُۥ مَن تَوَلَّاهُ فَأَنَّهُۥ يُضِلُّهُۥ وَيَهۡدِيهِ إِلَىٰ عَذَابِ ٱلسَّعِيرِ
Voasoratra ho azy (Satana), fa na iza na iza manaraka azy dia tena ho vereziny sy ho tarihiny mankany amin’ny famaizan’ny Afobe.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِن كُنتُمۡ فِي رَيۡبٖ مِّنَ ٱلۡبَعۡثِ فَإِنَّا خَلَقۡنَٰكُم مِّن تُرَابٖ ثُمَّ مِن نُّطۡفَةٖ ثُمَّ مِنۡ عَلَقَةٖ ثُمَّ مِن مُّضۡغَةٖ مُّخَلَّقَةٖ وَغَيۡرِ مُخَلَّقَةٖ لِّنُبَيِّنَ لَكُمۡۚ وَنُقِرُّ فِي ٱلۡأَرۡحَامِ مَا نَشَآءُ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمّٗى ثُمَّ نُخۡرِجُكُمۡ طِفۡلٗا ثُمَّ لِتَبۡلُغُوٓاْ أَشُدَّكُمۡۖ وَمِنكُم مَّن يُتَوَفَّىٰ وَمِنكُم مَّن يُرَدُّ إِلَىٰٓ أَرۡذَلِ ٱلۡعُمُرِ لِكَيۡلَا يَعۡلَمَ مِنۢ بَعۡدِ عِلۡمٖ شَيۡـٔٗاۚ وَتَرَى ٱلۡأَرۡضَ هَامِدَةٗ فَإِذَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡهَا ٱلۡمَآءَ ٱهۡتَزَّتۡ وَرَبَتۡ وَأَنۢبَتَتۡ مِن كُلِّ زَوۡجِۭ بَهِيجٖ
Ry olombelona, raha manana fisalasalana ianareo mahakasika ny Fitsanganana,tena marina, fa Izahay no nahary anareo avy amin’ny tany, avy eo amin’ny alalan’ny ranon'aina, avy eo amin’ny vaingan-drà, avy eo amin’ny vainga-nofo izay manana endrika na tsy manana endrika, mba hanazavanay aminareo . Ary apetrakay ao anatin’ny vohoka izay sitrakay, mandritran'ny fotoana voafetra. Ary avoakanay ho zazakely ianareo sy mba hahatratraranareo ny fahanterana. Ary misy aminareo ny maty (tanora), ary misy aminareo koa ny tratra antitra, ka lasa tsy mahatadidy izay fantany teo aloha. Ary hahita ny tany karakaina ianao, nefa raha vao handatsahanay rano izany, dia mihetsika sy mibontsina izy, ary mampitsiry avy (aminy) ireo karazan-java-maniry tsiroaroa (lahy sy vavy) mahafinaritra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّهُۥ يُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَأَنَّهُۥ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Izany no misy satria, i Allah Ilay Marina, ary Izy Ilay mamelona ny maty sy manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَنَّ ٱلسَّاعَةَ ءَاتِيَةٞ لَّا رَيۡبَ فِيهَا وَأَنَّ ٱللَّهَ يَبۡعَثُ مَن فِي ٱلۡقُبُورِ
Ary marina tokoa fa ny Ora dia ho avy, tsy hisalasalana ny amin’izany, ary marina fa I Allah dia hanangana izay ao am-pasana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يُجَٰدِلُ فِي ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٖ وَلَا هُدٗى وَلَا كِتَٰبٖ مُّنِيرٖ
Ary misy amin’ireo olombelona no miady hevitra mahakasika an’I Allah, tsy amim-pahalalana, tsy manam-pitari-dalana, tsy misy boky mpanazava.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثَانِيَ عِطۡفِهِۦ لِيُضِلَّ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِۖ لَهُۥ فِي ٱلدُّنۡيَا خِزۡيٞۖ وَنُذِيقُهُۥ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ عَذَابَ ٱلۡحَرِيقِ
Maneho ny fireharehany izy mba hamiliany hiala ny lalan’I Allah. Ho azy ny fahafaham-baraka eto an-tany, ary hampanandraminay azy ny famaizana amin’ny Afobe amin’ny Andro Fitsanganana .
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَٰلِكَ بِمَا قَدَّمَتۡ يَدَاكَ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَيۡسَ بِظَلَّٰمٖ لِّلۡعَبِيدِ
Izany dia vokatry ny nataon’ny tananao roa, ary marina fa I Allah dia tsy mpanao ny tsy rariny amin’ireo mpanompo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَعۡبُدُ ٱللَّهَ عَلَىٰ حَرۡفٖۖ فَإِنۡ أَصَابَهُۥ خَيۡرٌ ٱطۡمَأَنَّ بِهِۦۖ وَإِنۡ أَصَابَتۡهُ فِتۡنَةٌ ٱنقَلَبَ عَلَىٰ وَجۡهِهِۦ خَسِرَ ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةَۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡخُسۡرَانُ ٱلۡمُبِينُ
Ary misy amin’ny olombelona izay manompo an'I Allah an-tendrony (am-pisalasalana). Raha misy zavatra tsara tonga aminy dia finaritra amin’izany izy ; fa raha misy fitsapana kosa tonga aminy dia manodina tarehy (tsy mino intsony) izy ; koa maty antoka izy ety an-tany sy any ankoatra. Izany no tena faty antoka miharihary.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَدۡعُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَضُرُّهُۥ وَمَا لَا يَنفَعُهُۥۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلضَّلَٰلُ ٱلۡبَعِيدُ
Mitalaho amin’ny hafa ankoatr’I Allah izy izay tsy afaka manao ratsy aminy na manao tsara aminy ; izany no tena fahaverezana lalina.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَدۡعُواْ لَمَن ضَرُّهُۥٓ أَقۡرَبُ مِن نَّفۡعِهِۦۚ لَبِئۡسَ ٱلۡمَوۡلَىٰ وَلَبِئۡسَ ٱلۡعَشِيرُ
Mitalaho amin’ny ratsy izay manakaiky azy tokoa izy noho ny tombotsoany, izany no mpiahy tena ratsy tokoa sy namana tena ratsy !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱللَّهَ يُدۡخِلُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَفۡعَلُ مَا يُرِيدُ
Marina fa I Allah no mampiditra ireo izay mino sy ireo izay manao asa soa ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano mikoriana ao ambaniny. Marina fa I Allah dia manao izay tiany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
مَن كَانَ يَظُنُّ أَن لَّن يَنصُرَهُ ٱللَّهُ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ فَلۡيَمۡدُدۡ بِسَبَبٍ إِلَى ٱلسَّمَآءِ ثُمَّ لۡيَقۡطَعۡ فَلۡيَنظُرۡ هَلۡ يُذۡهِبَنَّ كَيۡدُهُۥ مَا يَغِيظُ
Izay mihevitra fa tsy hamonjy azy I Allah ety an-tany sy any ankoatra, aoka izy hanantona tady eny an-danitra (eo amin’ny tafotranony), avy eo hananton-tenda eny izy ; aoka ho tapahiny izany, ka jereo raha toa ka nahavita nanafoana ny zavatra nahatezitra azy ny tetika nataony.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَكَذَٰلِكَ أَنزَلۡنَٰهُ ءَايَٰتِۭ بَيِّنَٰتٖ وَأَنَّ ٱللَّهَ يَهۡدِي مَن يُرِيدُ
Toy izany no nampidinanay taminy ireo famantarana mazava. Marina fa I Allah dia mitari-dalana izay tiany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَٱلَّذِينَ هَادُواْ وَٱلصَّٰبِـِٔينَ وَٱلنَّصَٰرَىٰ وَٱلۡمَجُوسَ وَٱلَّذِينَ أَشۡرَكُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ يَفۡصِلُ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ شَهِيدٌ
Ireo izay nino, ireo jiosy, ireo Sabeana, ireo kristiana, ireo mpanompo afo ary ireo mpanompo sampy. Allah dia hampisaraka azy ireo tokoa amin’ny Andro Fitsanganana. Tena marina fa Allah dia vavolombelona amin’ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ يَسۡجُدُۤ لَهُۥۤ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ وَٱلشَّمۡسُ وَٱلۡقَمَرُ وَٱلنُّجُومُ وَٱلۡجِبَالُ وَٱلشَّجَرُ وَٱلدَّوَآبُّ وَكَثِيرٞ مِّنَ ٱلنَّاسِۖ وَكَثِيرٌ حَقَّ عَلَيۡهِ ٱلۡعَذَابُۗ وَمَن يُهِنِ ٱللَّهُ فَمَا لَهُۥ مِن مُّكۡرِمٍۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَفۡعَلُ مَا يَشَآءُ۩
Moa va tsy hitanao fa tena miankohoka amin’I Allah avokoa izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ety an-tany, ny masoandro, ny volana, ny kintana, ny tendrombohitra, ny hazo, ny biby, ary ireo olona maro ? Fa maro ihany koa ny sazy mendrika ho azy ireo. N'iza n'iza ahetrin’I Allah, dia tsy misy hanome haja azy intsony. Tena marina fa I Allah dia manao izay tiany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ هَٰذَانِ خَصۡمَانِ ٱخۡتَصَمُواْ فِي رَبِّهِمۡۖ فَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ قُطِّعَتۡ لَهُمۡ ثِيَابٞ مِّن نَّارٖ يُصَبُّ مِن فَوۡقِ رُءُوسِهِمُ ٱلۡحَمِيمُ
Indro mpifanandrina roa mifanditra ny mahakasika ny Tompon’izy ireo. Ho an’ireo izay tsy mino dia ho didìna ho azy ireo ny fitafy avy amin’ny afo, handrarahana rano mangotraka eo an-tampon-dohany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يُصۡهَرُ بِهِۦ مَا فِي بُطُونِهِمۡ وَٱلۡجُلُودُ
Izay hampitsonika ny ao anatin’ny kibon’izy ireo sy ny hodiny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَهُم مَّقَٰمِعُ مِنۡ حَدِيدٖ
Ary ho azy ireo ny fively vy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كُلَّمَآ أَرَادُوٓاْ أَن يَخۡرُجُواْ مِنۡهَا مِنۡ غَمٍّ أُعِيدُواْ فِيهَا وَذُوقُواْ عَذَابَ ٱلۡحَرِيقِ
Isaky ny te-hivoaka avy ao izy ireo, noho ny fahoriana, dia haverina ao indray (ka ho tenenina amin’izy ireo hoe) :“Andramonareo ny famaizan’ny Afobe mivaivay”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱللَّهَ يُدۡخِلُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ يُحَلَّوۡنَ فِيهَا مِنۡ أَسَاوِرَ مِن ذَهَبٖ وَلُؤۡلُؤٗاۖ وَلِبَاسُهُمۡ فِيهَا حَرِيرٞ
Marina fa I Allah dia hampiditra ireo izay nino sy nanao asa soa ao amin’ny Paradisa izay misy renirano mikoriana eo ambaniny. Hampihaigoina amin’ny firavaka volamena, sy vatosoa izy ireo ao anatin’izany, ary ny fitafin’izy ireo ao dia lamba landy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَهُدُوٓاْ إِلَى ٱلطَّيِّبِ مِنَ ٱلۡقَوۡلِ وَهُدُوٓاْ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡحَمِيدِ
Ary ho tarihina ho any amin’ny teny mendrika izy ireo sy ho tarihina ho any amin’ny lalana mendrika ihany koa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَيَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ وَٱلۡمَسۡجِدِ ٱلۡحَرَامِ ٱلَّذِي جَعَلۡنَٰهُ لِلنَّاسِ سَوَآءً ٱلۡعَٰكِفُ فِيهِ وَٱلۡبَادِۚ وَمَن يُرِدۡ فِيهِ بِإِلۡحَادِۭ بِظُلۡمٖ نُّذِقۡهُ مِنۡ عَذَابٍ أَلِيمٖ
Fa ireo izay tsy mino sy misakana ny lalan’I Allah kosa ary ny toeram-pivavahana masina izay nataonay ho an’olona, na ho an’ireo tompon-toerana ao, na ho an’ireo mpivahiny ka n'iza n'iza mitady hanao ratsy ao, amin’ny tsy rariny, dia hampanandramanay azy ny sazy mangirifiry.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذۡ بَوَّأۡنَا لِإِبۡرَٰهِيمَ مَكَانَ ٱلۡبَيۡتِ أَن لَّا تُشۡرِكۡ بِي شَيۡـٔٗا وَطَهِّرۡ بَيۡتِيَ لِلطَّآئِفِينَ وَٱلۡقَآئِمِينَ وَٱلرُّكَّعِ ٱلسُّجُودِ
Ary raha natoronay an’i Abrahama ny toeran’ny Trano : ”Aza akambanao amin’ny hafa Aho ; ary diovy ny tranoko ho an’ireo mpihodidina, sy ho an’ireo mpitsangana, ary ho an’ireo mpiondrika mpiankohoka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَذِّن فِي ٱلنَّاسِ بِٱلۡحَجِّ يَأۡتُوكَ رِجَالٗا وَعَلَىٰ كُلِّ ضَامِرٖ يَأۡتِينَ مِن كُلِّ فَجٍّ عَمِيقٖ
Antsoy ny olona ho amin’ny fivahinianana masina. Fa ho tonga eo aminao izy ireo, am-pandehanana an-tongotra sy amin’ny alalan’ny biby fitaingina, izay avy amin’ny lalana lavitra rehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لِّيَشۡهَدُواْ مَنَٰفِعَ لَهُمۡ وَيَذۡكُرُواْ ٱسۡمَ ٱللَّهِ فِيٓ أَيَّامٖ مَّعۡلُومَٰتٍ عَلَىٰ مَا رَزَقَهُم مِّنۢ بَهِيمَةِ ٱلۡأَنۡعَٰمِۖ فَكُلُواْ مِنۡهَا وَأَطۡعِمُواْ ٱلۡبَآئِسَ ٱلۡفَقِيرَ
Mba handray anjara amin’ireo tombotsoa izay omena azy ireo sy hahatsiaro ny anaran’I Allah mandritra ny andro voafetra; amin’ny biby fiompy izay anjara nomena azy ireo, ary mihinàna amin’izany ianareo, ary ampihinano koa ireo mahantra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ لۡيَقۡضُواْ تَفَثَهُمۡ وَلۡيُوفُواْ نُذُورَهُمۡ وَلۡيَطَّوَّفُواْ بِٱلۡبَيۡتِ ٱلۡعَتِيقِ
Avy eo, aoka izy ireo hanala ireo fady rehetra hatreo, hanatanteraka ny voadin’izy ireo, ary hanao fihodinana manodidina ilay Trano Tranaina.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَٰلِكَۖ وَمَن يُعَظِّمۡ حُرُمَٰتِ ٱللَّهِ فَهُوَ خَيۡرٞ لَّهُۥ عِندَ رَبِّهِۦۗ وَأُحِلَّتۡ لَكُمُ ٱلۡأَنۡعَٰمُ إِلَّا مَا يُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡۖ فَٱجۡتَنِبُواْ ٱلرِّجۡسَ مِنَ ٱلۡأَوۡثَٰنِ وَٱجۡتَنِبُواْ قَوۡلَ ٱلزُّورِ
Izany (no didy) ! Ka n'iza n'iza manaja ny zava-pady avy amin’I Allah, dia tsara ho azy izany eo anatrehan’ny Tompony. Ary omena alalana ianareo hihinana ireo biby fiompy, afa-tsy izay notanisaina taminareo (fady). Alavironareo ny loto noho ireo sampy, ary alavironareo ihany koa ny teny feno lainga.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
حُنَفَآءَ لِلَّهِ غَيۡرَ مُشۡرِكِينَ بِهِۦۚ وَمَن يُشۡرِكۡ بِٱللَّهِ فَكَأَنَّمَا خَرَّ مِنَ ٱلسَّمَآءِ فَتَخۡطَفُهُ ٱلطَّيۡرُ أَوۡ تَهۡوِي بِهِ ٱلرِّيحُ فِي مَكَانٖ سَحِيقٖ
(Aoka ianareo) hadio fò amin’I Allah, tsy ho mpampikambana Azy amin’ny hafa ; fa n'iza n'iza manompo sampy, dia tahaka ny mianjera avy eny an-danitra, ka mifaoka azy ny vorona na ny rivotra manipy azy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَٰلِكَۖ وَمَن يُعَظِّمۡ شَعَٰٓئِرَ ٱللَّهِ فَإِنَّهَا مِن تَقۡوَى ٱلۡقُلُوبِ
Izany (no didy) ! Ka n'iza n'iza manaja ireo zava-manan-kasin’I Allah, tena marina fa izany dia anisan’ny fatahoran’ny fo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَكُمۡ فِيهَا مَنَٰفِعُ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمّٗى ثُمَّ مَحِلُّهَآ إِلَى ٱلۡبَيۡتِ ٱلۡعَتِيقِ
Manana tombotsoa (amin’ireo biby ireo) ianareo hatramin’ny fotoana voafetra ; ary ny toerana fanaovana sorona azy ireo dia eo amin’ilay trano fahiny (Ka’ba).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلِكُلِّ أُمَّةٖ جَعَلۡنَا مَنسَكٗا لِّيَذۡكُرُواْ ٱسۡمَ ٱللَّهِ عَلَىٰ مَا رَزَقَهُم مِّنۢ بَهِيمَةِ ٱلۡأَنۡعَٰمِۗ فَإِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞ فَلَهُۥٓ أَسۡلِمُواْۗ وَبَشِّرِ ٱلۡمُخۡبِتِينَ
Ary ny vahoaka tsirairay dia nomenay fomba fanaovana sorona, mba hanononan’izy ireo ny anaran’I Allah amin’ny anjara nomena azy ireo amin’ny biby fiompy. Ka ny zanaharinareo dia Zanahary tokana ihany, ka atolory Azy ny fanetrehan-tena, ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanetri-tena.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱلَّذِينَ إِذَا ذُكِرَ ٱللَّهُ وَجِلَتۡ قُلُوبُهُمۡ وَٱلصَّٰبِرِينَ عَلَىٰ مَآ أَصَابَهُمۡ وَٱلۡمُقِيمِي ٱلصَّلَوٰةِ وَمِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ يُنفِقُونَ
Ireo izay mihentam-po rehefa ampahatsiahivina mahakasika an'I Allah, sy ireo izay maharitra amin’ny voina mihatra amin’izy ireo, ary ireo mpanatanteraka ny Fivavahana sy manao fandaniana amin’izay anjara nomenay azy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلۡبُدۡنَ جَعَلۡنَٰهَا لَكُم مِّن شَعَٰٓئِرِ ٱللَّهِ لَكُمۡ فِيهَا خَيۡرٞۖ فَٱذۡكُرُواْ ٱسۡمَ ٱللَّهِ عَلَيۡهَا صَوَآفَّۖ فَإِذَا وَجَبَتۡ جُنُوبُهَا فَكُلُواْ مِنۡهَا وَأَطۡعِمُواْ ٱلۡقَانِعَ وَٱلۡمُعۡتَرَّۚ كَذَٰلِكَ سَخَّرۡنَٰهَا لَكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ
Ary ireo rameva, dia nataonay ho anisan’ny zava-manan-kasin’I Allah ho anareo. Misy fahasoavana ho anareo amin’izany. Ary tononinareo amin’izy ireo ny anaran’I Allah rehefa voafatotra tsara izy ireo. Ary rehefa maty izy ireo dia mihinàna amin’izany ianareo, ary ampisakafoano ny mahantra, mpionona tsy mitalaho sy ireo mahantra mitalaho. Tahaka izany no nanaovanay azy ireo ho anareo, angamba hankasitraka ianareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَن يَنَالَ ٱللَّهَ لُحُومُهَا وَلَا دِمَآؤُهَا وَلَٰكِن يَنَالُهُ ٱلتَّقۡوَىٰ مِنكُمۡۚ كَذَٰلِكَ سَخَّرَهَا لَكُمۡ لِتُكَبِّرُواْ ٱللَّهَ عَلَىٰ مَا هَدَىٰكُمۡۗ وَبَشِّرِ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Samy tsy ho tonga any amin’I Allah mihitsy na ny nofony na ny ràny, fa ny fatahoranareo no ho tonga any Aminy. Tahaka izany no nanaovany azy ireo ho anareo mba hideranareo ny halehiben’I Allah, satria Izy no nitarika anareo tamin’ny lala-mahitsy. Ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanao asa soa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ إِنَّ ٱللَّهَ يُدَٰفِعُ عَنِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْۗ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ كُلَّ خَوَّانٖ كَفُورٍ
Allah dia tena miaro tokoa ireo izay mino. Tena marina fa Allah dia tsy mitia ireo mpamadika, tsy mpankasitraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أُذِنَ لِلَّذِينَ يُقَٰتَلُونَ بِأَنَّهُمۡ ظُلِمُواْۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ نَصۡرِهِمۡ لَقَدِيرٌ
Nomena alalana ireo izay voatafika (hiaro-tena), satria tena marina fa niharan’ny tsy rariny izy ireo, ary marina fa I Allah dia afaka mamonjy azy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱلَّذِينَ أُخۡرِجُواْ مِن دِيَٰرِهِم بِغَيۡرِ حَقٍّ إِلَّآ أَن يَقُولُواْ رَبُّنَا ٱللَّهُۗ وَلَوۡلَا دَفۡعُ ٱللَّهِ ٱلنَّاسَ بَعۡضَهُم بِبَعۡضٖ لَّهُدِّمَتۡ صَوَٰمِعُ وَبِيَعٞ وَصَلَوَٰتٞ وَمَسَٰجِدُ يُذۡكَرُ فِيهَا ٱسۡمُ ٱللَّهِ كَثِيرٗاۗ وَلَيَنصُرَنَّ ٱللَّهُ مَن يَنصُرُهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَقَوِيٌّ عَزِيزٌ
Ireo izay noroahina teo amin'ny fonenany, tamin'ny tsy rariny, satria niteny izy ireo hoe :"Allah no Tomponay". Raha tsy nampifandroahin'i Allah ny olona, dia nofoanana ny fitokana-monina amin'ireo trano fiankohofana izay iantsoana matetika ny anaran'i Allah. Hamafisina, fa manohana izay manohana Azy i Allah. Fa Matanjaka sy Tsitoha i Allah.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱلَّذِينَ إِن مَّكَّنَّٰهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ أَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتَوُاْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَمَرُواْ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَنَهَوۡاْ عَنِ ٱلۡمُنكَرِۗ وَلِلَّهِ عَٰقِبَةُ ٱلۡأُمُورِ
Ireo izay efa nomenay fahefana teto ambonin’ny tany dia nanatanteraka ny fivavahana izy ireo, namoaka ny ampahan-karena, ary nandidy ny tsara sy nandrara tamin’ny ratsy. Tena marina fa any amin'I Allah ny fiafaran’ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِن يُكَذِّبُوكَ فَقَدۡ كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٖ وَعَادٞ وَثَمُودُ
Ary raha milaza anao fa mpandainga izy ireo, dia efa nilaza fa mpandainga koa ny vahoakan’i Noa, ireo Aad, ireo Thamod talohan’izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَوۡمُ إِبۡرَٰهِيمَ وَقَوۡمُ لُوطٖ
Ary ny vahoakan’i Abrahama sy ny vahoakan’i Lota.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَصۡحَٰبُ مَدۡيَنَۖ وَكُذِّبَ مُوسَىٰۖ فَأَمۡلَيۡتُ لِلۡكَٰفِرِينَ ثُمَّ أَخَذۡتُهُمۡۖ فَكَيۡفَ كَانَ نَكِيرِ
Sy ireo vahoakan’ny Mad'yna, ary voapanga ho lainga ihany koa i Mosesy. Ka nomeko fe-potoana ireo tsy mpino; avy eo dia noraisiko izy ireo. Ka nanao ahoana ny fanakianako azy ireo !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَكَأَيِّن مِّن قَرۡيَةٍ أَهۡلَكۡنَٰهَا وَهِيَ ظَالِمَةٞ فَهِيَ خَاوِيَةٌ عَلَىٰ عُرُوشِهَا وَبِئۡرٖ مُّعَطَّلَةٖ وَقَصۡرٖ مَّشِيدٍ
Firifiry moa ireo tanàna izay noravainay, satria mpanao ny tsy rariny izy ireo, rava daholo ny tafony ! Ary ireo lava-drano (vovo) dia foana tanteraka ! Ary ireo lapa dia haolo !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَفَلَمۡ يَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَتَكُونَ لَهُمۡ قُلُوبٞ يَعۡقِلُونَ بِهَآ أَوۡ ءَاذَانٞ يَسۡمَعُونَ بِهَاۖ فَإِنَّهَا لَا تَعۡمَى ٱلۡأَبۡصَٰرُ وَلَٰكِن تَعۡمَى ٱلۡقُلُوبُ ٱلَّتِي فِي ٱلصُّدُورِ
Tsy mivezivezy maneran-tany ve izy ireo, mba hananany fo hisainany amin'ny alalan'izany, na sofina mba handre amin'ny alalan'izany ? Satria izany dia tsy manajamba ny maso akory, fa manajamba ny fo izay ao an-tratra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيَسۡتَعۡجِلُونَكَ بِٱلۡعَذَابِ وَلَن يُخۡلِفَ ٱللَّهُ وَعۡدَهُۥۚ وَإِنَّ يَوۡمًا عِندَ رَبِّكَ كَأَلۡفِ سَنَةٖ مِّمَّا تَعُدُّونَ
Ary hangataka aminao ny hanafainganana ny famaizana izy ireo; kanefa tsy mba mivadika na oviana na oviana amin’ny fampanantenany I Allah. Marina fa ny andro iray eo anatrehan’ny Tomponao dia toy ny arivo taona araka ny fomba fanisanareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَكَأَيِّن مِّن قَرۡيَةٍ أَمۡلَيۡتُ لَهَا وَهِيَ ظَالِمَةٞ ثُمَّ أَخَذۡتُهَا وَإِلَيَّ ٱلۡمَصِيرُ
Firifiry moa ireo tanàna izay nomeko fe-potoana nefa manao ny tsy rariny izy ireo ! Avy eo dia noraisiko izy ireo. Ary aty Amiko no fiafarana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنَّمَآ أَنَا۠ لَكُمۡ نَذِيرٞ مُّبِينٞ
Teneno hoe : “Ry olombelona ! Tsy inona akory aho fa mpampitandrina miharihary tokoa ho anareo.”
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَرِزۡقٞ كَرِيمٞ
Fa ireo izay mino sy manao asa soa, ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny anjaram-pivelomana mahafa-po.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلَّذِينَ سَعَوۡاْ فِيٓ ءَايَٰتِنَا مُعَٰجِزِينَ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَحِيمِ
Fa ireo izay miezaka hanohitra ny fanambaranay, izy ireny no olon’ny Afobe.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ مِن رَّسُولٖ وَلَا نَبِيٍّ إِلَّآ إِذَا تَمَنَّىٰٓ أَلۡقَى ٱلشَّيۡطَٰنُ فِيٓ أُمۡنِيَّتِهِۦ فَيَنسَخُ ٱللَّهُ مَا يُلۡقِي ٱلشَّيۡطَٰنُ ثُمَّ يُحۡكِمُ ٱللَّهُ ءَايَٰتِهِۦۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Izahay dia tsy nandefa iraka na mpaminany teo alohanao afa-tsy hoe maniry zavatra iray (famakiana ny Boky) izy nefa mampiditra fandrebirebena amin’ny zavatra vakin'ny Satana ! Avy eo dia foanan’i Allah izay alefan’ny Satana. Ary nohamafisin’i Allah ireo fanambarany. Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy Hendry.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لِّيَجۡعَلَ مَا يُلۡقِي ٱلشَّيۡطَٰنُ فِتۡنَةٗ لِّلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٞ وَٱلۡقَاسِيَةِ قُلُوبُهُمۡۗ وَإِنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ لَفِي شِقَاقِۭ بَعِيدٖ
Ny fandrebireben’ny Satana dia nataony (Allah) mba ho fitsapana ho an’ireo izay misy aretina ao am-pony sy ireo izay mafy fo (manana fisalasalana na fihatsarambelatsihy)... Marina fa ireo izay mpanao ny tsy rariny dia ao anaty fisaraham-bazana tanteraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلِيَعۡلَمَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ أَنَّهُ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ فَيُؤۡمِنُواْ بِهِۦ فَتُخۡبِتَ لَهُۥ قُلُوبُهُمۡۗ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهَادِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Fa ho an’ireo izay nomena fahalalana kosa, dia nataony (izany) mba hahalalany fa fahamarinana avy amin’ny Tomponao izany, koa aoka hino izany izy ireo, ary aoka ny fon’izy ireo hanetry tena Aminy tanteraka. Tena marina fa Allah dia mpitarika ireo izay mino amin’ny lala-mahitsy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا يَزَالُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي مِرۡيَةٖ مِّنۡهُ حَتَّىٰ تَأۡتِيَهُمُ ٱلسَّاعَةُ بَغۡتَةً أَوۡ يَأۡتِيَهُمۡ عَذَابُ يَوۡمٍ عَقِيمٍ
Ary ireo izay tsy mino dia mijanona hatrany ao amin’ny fisalasalana, mandra-pahatongan’ilay ora tampoka amin’izy ireo, na koa ny famaizana amin’ny andro izay tsy hisy intsony ny famokarana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱلۡمُلۡكُ يَوۡمَئِذٖ لِّلَّهِ يَحۡكُمُ بَيۡنَهُمۡۚ فَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ
Amin’izany andro izany, ny fanjakana dia an’I Allah. Izy no hitsara azy ireo. Fa ireo izay nino sy nanao asa soa, dia ho ao amin’ny zaridain’ny fahafinaretana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَكَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا فَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٞ مُّهِينٞ
Fa ireo izay tsy nino kosa sy nilaza fa lainga ireo fanambaranay, dia ho azy ireo ny sazy manala baraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلَّذِينَ هَاجَرُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ ثُمَّ قُتِلُوٓاْ أَوۡ مَاتُواْ لَيَرۡزُقَنَّهُمُ ٱللَّهُ رِزۡقًا حَسَنٗاۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهُوَ خَيۡرُ ٱلرَّٰزِقِينَ
Ary ireo izay nifindra-monina amin’ny lalan’I Allah, ka novonoina, na koa maty, dia tsy maintsy omen’I Allah azy ireo ny anjara mendrika indrindra. Marina fa Allah no mendrika indrindra amin’ireo mpanome ny anjara.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَيُدۡخِلَنَّهُم مُّدۡخَلٗا يَرۡضَوۡنَهُۥۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَعَلِيمٌ حَلِيمٞ
Tsy maintsy hampidiriny (ao am-paradisa) amin’ny fomba tena mahafa-po azy izy ireo. Ary marina fa Allah no Mahalala ny zava-drehetra sy Tsara fanahy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ ذَٰلِكَۖ وَمَنۡ عَاقَبَ بِمِثۡلِ مَا عُوقِبَ بِهِۦ ثُمَّ بُغِيَ عَلَيۡهِ لَيَنصُرَنَّهُ ٱللَّهُۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَعَفُوٌّ غَفُورٞ
Izany tokoa ! N'iza n'iza manasazy tahaka izay nanasaziana azy, avy eo niharan’ny vali-faty indray ; Allah dia tsy maintsy hamonjy azy. Marina fa Allah dia Mpandefitra, Mpamela heloka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ يُولِجُ ٱلَّيۡلَ فِي ٱلنَّهَارِ وَيُولِجُ ٱلنَّهَارَ فِي ٱلَّيۡلِ وَأَنَّ ٱللَّهَ سَمِيعُۢ بَصِيرٞ
Araka izany, Allah dia mampiditra ny alina ao amin’ny atoandro ary mampiditra ny andro ao amin’ny alina, ary Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّ مَا يَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ هُوَ ٱلۡبَٰطِلُ وَأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡكَبِيرُ
Araka izany Allah, Izy tokoa Ilay Marina, ary marina fa izay rehetra antsoin’izy ireo ankoatra Azy dia diso; ary Allah Ilay Avo indrindra, Ilay Lehibe indrindra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَتُصۡبِحُ ٱلۡأَرۡضُ مُخۡضَرَّةًۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَطِيفٌ خَبِيرٞ
Moa ve tsy hitanao fa Allah no nampidina ny rano avy any an-danitra, ka lasa maitso tsara ny tany ? Allah dia Ilay Mpangoraka sy Mahafantatra ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَّهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهُوَ ٱلۡغَنِيُّ ٱلۡحَمِيدُ
Ary Azy izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany ; ary Allah irery ihany Ilay Manana ny ampy, Ilay Mendri-piderana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ سَخَّرَ لَكُم مَّا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَٱلۡفُلۡكَ تَجۡرِي فِي ٱلۡبَحۡرِ بِأَمۡرِهِۦ وَيُمۡسِكُ ٱلسَّمَآءَ أَن تَقَعَ عَلَى ٱلۡأَرۡضِ إِلَّا بِإِذۡنِهِۦٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ بِٱلنَّاسِ لَرَءُوفٞ رَّحِيمٞ
Moa ve tsy hitanao fa Allah no nametraka ho eo ambany fahefanareo izay rehetra eto an-tany ary koa ny sambo izay misosa eny ambonin’ny ranomasina araka ny didiny ? Ary Izy no mitazona ny lanitra mba tsy hianjera amin’ny tany, raha tsy hoe sitrany izany. Marina fa Allah dia tena Mpitsimbina sy be Fiantrana amin’ny olombelona.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَهُوَ ٱلَّذِيٓ أَحۡيَاكُمۡ ثُمَّ يُمِيتُكُمۡ ثُمَّ يُحۡيِيكُمۡۗ إِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ لَكَفُورٞ
Ary Izy no manome anareo ny fiainana, ary manala ny ainareo, avy eo dia Izy no hamelona anareo indray. Tena marina fa ny olombelona dia mihizingizina ao anatin’ny tsy fankatoavana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لِّكُلِّ أُمَّةٖ جَعَلۡنَا مَنسَكًا هُمۡ نَاسِكُوهُۖ فَلَا يُنَٰزِعُنَّكَ فِي ٱلۡأَمۡرِۚ وَٱدۡعُ إِلَىٰ رَبِّكَۖ إِنَّكَ لَعَلَىٰ هُدٗى مُّسۡتَقِيمٖ
Isaky ny vahoaka tsirairay dia nomenay fomba aman-dalàna ny fanompoana harahiny. Ka aoka tsy hifanditra aminao mihitsy amin’ity raharaha ity izy ireo ! Ary miantsoa ho an’ny Tomponao ianao. Tena marina fa amin’ny tari-dalana mahitsy tokoa ianao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِن جَٰدَلُوكَ فَقُلِ ٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا تَعۡمَلُونَ
Ary raha miady hevitra aminao izy ireo, dia lazao hoe: "Allah no Mahalala indrindra izay ataonareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱللَّهُ يَحۡكُمُ بَيۡنَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ
Allah no hitsara anareo amin’ny Andro Fitsanganana amin’izay mampifanolana anareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَمۡ تَعۡلَمۡ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّ ذَٰلِكَ فِي كِتَٰبٍۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ
Moa ve tsy fantatrao fa Allah tokoa no mahalala izay any an-danitra sy ety an-tany ? Izany rehetra izany dia voarakitra ao anatin'ny Boky, ary tena mora tokoa amin’I Allah izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَمۡ يُنَزِّلۡ بِهِۦ سُلۡطَٰنٗا وَمَا لَيۡسَ لَهُم بِهِۦ عِلۡمٞۗ وَمَا لِلظَّٰلِمِينَ مِن نَّصِيرٖ
Ary manompo ankoatr'I Allah izy ireo, izay tsy nampidinany na porofo iray aza, sy tsy nanan'izy ireo fahalalana, ary tsy hanana mpiaro ireo mpanao ny tsy rariny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُنَا بَيِّنَٰتٖ تَعۡرِفُ فِي وُجُوهِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱلۡمُنكَرَۖ يَكَادُونَ يَسۡطُونَ بِٱلَّذِينَ يَتۡلُونَ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتِنَاۗ قُلۡ أَفَأُنَبِّئُكُم بِشَرّٖ مِّن ذَٰلِكُمُۚ ٱلنَّارُ وَعَدَهَا ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Ary raha tanisaina amin’izy ireo, ireo Fanambaranay miharihary, dia ho tsikaritrao eny amin’ny tarehin’ireo izay tsy nino ny fankahalana. Efa te-hamely ireo izay mitory ireo Fanambaranay aminy izy ireo.Teneno hoe : “Ho lazaiko anareo va ny zava-dratsy aterak'izany ? Ny Afo: izany no nampanantenain’I Allah ireo izay tsy nino. Ary tena ratsy tokoa izany fiafarana izany !”
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ضُرِبَ مَثَلٞ فَٱسۡتَمِعُواْ لَهُۥٓۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَن يَخۡلُقُواْ ذُبَابٗا وَلَوِ ٱجۡتَمَعُواْ لَهُۥۖ وَإِن يَسۡلُبۡهُمُ ٱلذُّبَابُ شَيۡـٔٗا لَّا يَسۡتَنقِذُوهُ مِنۡهُۚ ضَعُفَ ٱلطَّالِبُ وَٱلۡمَطۡلُوبُ
Ry olombelona, misy fanoharana, koa henoinareo izany :” Marina fa ireo izay italahoanareo ankoatr’I Allah, dia tsy afaka hihary na dia ny lalitra iray aza, na dia hitambatra aza izy ireo amin’izany. Ary raha misy zavatra nendahan’ny lalitra teny amin’izy ireo, dia tsy afaka hanavotra izany avy aminy izy ireo. Eny, malemy tokoa ny mpangataka sy izay angatahana !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
مَا قَدَرُواْ ٱللَّهَ حَقَّ قَدۡرِهِۦٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَقَوِيٌّ عَزِيزٌ
Tsy nomen’izy ireo haja amin’ny tena fanajana azy I Allah. Tena marina fa Allah dia Ilay Matanjaka, Ilay Mahery.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱللَّهُ يَصۡطَفِي مِنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ رُسُلٗا وَمِنَ ٱلنَّاسِۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعُۢ بَصِيرٞ
Allah dia nisafidy iraka tamin’ireo Anjely sy tamin’ireo olombelona. Tena marina fa Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَعۡلَمُ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُمۡۚ وَإِلَى ٱللَّهِ تُرۡجَعُ ٱلۡأُمُورُ
Izy dia mahafantatra izay eo alohan’izy ireo sy izay any aorian’izy ireo. Ary any amin’I Allah no hiverina ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱرۡكَعُواْ وَٱسۡجُدُواْۤ وَٱعۡبُدُواْ رَبَّكُمۡ وَٱفۡعَلُواْ ٱلۡخَيۡرَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ۩
Ry ianareo izay nino, miondreha, miankohofa, ary manompoa ny Tomponareo ianareo ; ka manaova ny soa. Angamba ahazo fahombiazana ianareo !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَجَٰهِدُواْ فِي ٱللَّهِ حَقَّ جِهَادِهِۦۚ هُوَ ٱجۡتَبَىٰكُمۡ وَمَا جَعَلَ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلدِّينِ مِنۡ حَرَجٖۚ مِّلَّةَ أَبِيكُمۡ إِبۡرَٰهِيمَۚ هُوَ سَمَّىٰكُمُ ٱلۡمُسۡلِمِينَ مِن قَبۡلُ وَفِي هَٰذَا لِيَكُونَ ٱلرَّسُولُ شَهِيدًا عَلَيۡكُمۡ وَتَكُونُواْ شُهَدَآءَ عَلَى ٱلنَّاسِۚ فَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَٱعۡتَصِمُواْ بِٱللَّهِ هُوَ مَوۡلَىٰكُمۡۖ فَنِعۡمَ ٱلۡمَوۡلَىٰ وَنِعۡمَ ٱلنَّصِيرُ
Ary miadia ho an’I Allah amin’ny ezaka tena mendrika ho Azy ianareo. Izy no nifidy anareo, ary tsy nataony hisy fahasarotana ho anareo akory ao anatin’ny finoana, foto-pinoan’ny raibenareo Abrahama. Izy no nanome anareo anarana hoe : «mpanetry tena» tany aloha sy amin’izao, mba ho vavolombelona eo anatrehanareo ny iraka ary mba ho vavolombelona eo anatrehan’ny olombelona ihany koa ianareo. Ka tanterahanareo àry ny Soalat ary mamoàha Zakat, ary koa mifikira mafy amin’I Allah ianareo. Endre izany Mpiahy tsara sy Mpamonjy mendrika !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់ហាជ្ជ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ