Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់ហ្ពាក៏រ៉ោះ   វាក្យខណ្ឌ:
وَإِذۡ نَجَّيۡنَٰكُم مِّنۡ ءَالِ فِرۡعَوۡنَ يَسُومُونَكُمۡ سُوٓءَ ٱلۡعَذَابِ يُذَبِّحُونَ أَبۡنَآءَكُمۡ وَيَسۡتَحۡيُونَ نِسَآءَكُمۡۚ وَفِي ذَٰلِكُم بَلَآءٞ مِّن رَّبِّكُمۡ عَظِيمٞ
Ary mba tsarovinareo ny nanavotanay anareo tamin'ireo olon'i Faraona, izay nampitondra faisana anareo tamin'ny fampijaliana mahatsiravina; notapahan'izy ireo avokoa ny tendan'ireo zanakalahinareo ary navelan'izy ireo velona kosa ireo zanaka vavinareo ny mba hanaovany izay tiany hatao amin'izy ireny, ary izany rehetra izany dia mifono fitsapana lehibe avy tamin'ny Tomponareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذۡ فَرَقۡنَا بِكُمُ ٱلۡبَحۡرَ فَأَنجَيۡنَٰكُمۡ وَأَغۡرَقۡنَآ ءَالَ فِرۡعَوۡنَ وَأَنتُمۡ تَنظُرُونَ
Ary tsarovy, raha novakinay roa noho ianareo ny ranomasina, ka nahafahanareo niampita, ary navotanay araka izany ianareo, fa narendrikay kosa ireo olon’i Faraona, nibaribary teo imasonareo izany rehetra izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذۡ وَٰعَدۡنَا مُوسَىٰٓ أَرۡبَعِينَ لَيۡلَةٗ ثُمَّ ٱتَّخَذۡتُمُ ٱلۡعِجۡلَ مِنۢ بَعۡدِهِۦ وَأَنتُمۡ ظَٰلِمُونَ
Ary tsarovy ihany koa raha nanome fotoana an'i Moussa (A.S) nandritra ny efa-polo alina Izahay, tamin’ izany no namoronanareo sariomby (natao sampy hotompoina) nandritra ny fotoana tsy nahateo azy, noho izany dia tonga isan’ny olona mpanao ny tsy rariny ianareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ عَفَوۡنَا عَنكُم مِّنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ
Dia namela heloka Anareo indray Izahay taorian'izany, mba hahaizanareo mankasitraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡفُرۡقَانَ لَعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ
Ary tsarovinareo, raha nampita ilay boky tamin’i Moussa Izahay, sy ilay takelam-panavahana, dia ny mba hizoranareo amin’ny làla-marina.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذۡ قَالَ مُوسَىٰ لِقَوۡمِهِۦ يَٰقَوۡمِ إِنَّكُمۡ ظَلَمۡتُمۡ أَنفُسَكُم بِٱتِّخَاذِكُمُ ٱلۡعِجۡلَ فَتُوبُوٓاْ إِلَىٰ بَارِئِكُمۡ فَٱقۡتُلُوٓاْ أَنفُسَكُمۡ ذَٰلِكُمۡ خَيۡرٞ لَّكُمۡ عِندَ بَارِئِكُمۡ فَتَابَ عَلَيۡكُمۡۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلتَّوَّابُ ٱلرَّحِيمُ
Ary tsarovinareo, raha nananatra ny vahoakany i Moussa : “Ry vahoakako! Tena nanao ny tsy rariny teo amin’ny tenanareo tokoa ianareo raha namorona sariomby natao sampy hotompoina. Ka ndeha miverena amin’Ilay Mpahary anareo; ary ataovy sorona ny ainareo, izany no tsara aminareo eo anatrehan’Ilay Mpahary anareo”; ka hahatonga Azy hamela heloka anareo. Hamafisina, fa Izy tokoa no Ilay Mpamela heloka, sy Mpamindra-fo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذۡ قُلۡتُمۡ يَٰمُوسَىٰ لَن نُّؤۡمِنَ لَكَ حَتَّىٰ نَرَى ٱللَّهَ جَهۡرَةٗ فَأَخَذَتۡكُمُ ٱلصَّٰعِقَةُ وَأَنتُمۡ تَنظُرُونَ
Ary tsarovinareo raha niteny ianareo hoe : " Ry Moussa ! Tsy hino anao velively izahay raha tsy efa mahita an’i Allah mibaribary ". Ka naripak'ilay varatra ianareo, ary nijery fotsiny teo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ بَعَثۡنَٰكُم مِّنۢ بَعۡدِ مَوۡتِكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ
Dia novelominay ianareo taorian’ny fahafatesanareo, mba hahatonga anareo hankasitraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَظَلَّلۡنَا عَلَيۡكُمُ ٱلۡغَمَامَ وَأَنزَلۡنَا عَلَيۡكُمُ ٱلۡمَنَّ وَٱلسَّلۡوَىٰۖ كُلُواْ مِن طَيِّبَٰتِ مَا رَزَقۡنَٰكُمۡۚ وَمَا ظَلَمُونَا وَلَٰكِن كَانُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ
Ary nalofanay tamin'ny rahona ianareo, narotsakay teo aminareo ny mana sy ny saloa (karazam-borona mitovy amin'ny papelika); (ary hoy Izahay taminareo hoe) : " Mihinàna ianareo amin'ireo tsara izay nomenay anareo ". ka tsy Izahay no voan'ny tsy rariny nataon'izy ireo fa ny tenan'izy ireo ihany no nanaovan'izy ireo ny tsy rariny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់ហ្ពាក៏រ៉ោះ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ