Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់អ៊ីសរ៉ក   វាក្យខណ្ឌ:
وَإِمَّا تُعۡرِضَنَّ عَنۡهُمُ ٱبۡتِغَآءَ رَحۡمَةٖ مِّن رَّبِّكَ تَرۡجُوهَا فَقُل لَّهُمۡ قَوۡلٗا مَّيۡسُورٗا
Ary raha misintaka azy ireo ianao amin’ny fitadiavana ny famindram-pon’ny Tomponao izay antenainao, dia manaova teny malefaka amin’izy ireo ianao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَجۡعَلۡ يَدَكَ مَغۡلُولَةً إِلَىٰ عُنُقِكَ وَلَا تَبۡسُطۡهَا كُلَّ ٱلۡبَسۡطِ فَتَقۡعُدَ مَلُومٗا مَّحۡسُورًا
Ary aza atao eo amin’ny vozonao ny tànanao voafatotra (noho ny fahihirana), ary aza avelatra malalaka loatra ihany koa, raha tsy izany ianao dia ho voan-tsiny sy halahelo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ رَبَّكَ يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ وَيَقۡدِرُۚ إِنَّهُۥ كَانَ بِعِبَادِهِۦ خَبِيرَۢا بَصِيرٗا
Tena marina fa ny Tomponao dia mizara malalaka ny anjara fivelomana amin’izay sitrany ary mametra izany ihany koa. Tena mahalala sy mahita ireo mpanompony Izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَقۡتُلُوٓاْ أَوۡلَٰدَكُمۡ خَشۡيَةَ إِمۡلَٰقٖۖ نَّحۡنُ نَرۡزُقُهُمۡ وَإِيَّاكُمۡۚ إِنَّ قَتۡلَهُمۡ كَانَ خِطۡـٔٗا كَبِيرٗا
Ary aza vonoina ny zanakareo nohon'ny fatahorana ny fahantrana. Izahay no manome ny anjara fivelomana ho azy ireo, toy izany koa ny anareo.Tena marina fa ny famonoana azy ireo dia hadisoana lehibe.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَقۡرَبُواْ ٱلزِّنَىٰٓۖ إِنَّهُۥ كَانَ فَٰحِشَةٗ وَسَآءَ سَبِيلٗا
Ary aza manakaiky ny fijangajangana mihitsy ianareo. Marina fa izany dia fahavetavetana sy tena lalana ratsy tokoa !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَقۡتُلُواْ ٱلنَّفۡسَ ٱلَّتِي حَرَّمَ ٱللَّهُ إِلَّا بِٱلۡحَقِّۗ وَمَن قُتِلَ مَظۡلُومٗا فَقَدۡ جَعَلۡنَا لِوَلِيِّهِۦ سُلۡطَٰنٗا فَلَا يُسۡرِف فِّي ٱلۡقَتۡلِۖ إِنَّهُۥ كَانَ مَنصُورٗا
Ary aza mamono ny aina izay nofadian’I Allah ianareo, raha tsy amim-pahamarinana. Ka n'iza n'iza novonoina tsy ara-drariny, dia omenay fahefana ny havany, ka aoka izy tsy hihoa-pampana amin’ny famonoana satria tena ho voavonjy (amin’ny alalan’ny lalàna) izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَقۡرَبُواْ مَالَ ٱلۡيَتِيمِ إِلَّا بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُ حَتَّىٰ يَبۡلُغَ أَشُدَّهُۥۚ وَأَوۡفُواْ بِٱلۡعَهۡدِۖ إِنَّ ٱلۡعَهۡدَ كَانَ مَسۡـُٔولٗا
Ary aza manakaiky ny haren’ny kamboty ianareo, afa-tsy amin’izay fomba mendrika indrindra, mandra-pahalehoany tena. Ary tanterahanareo ny fifanarahana, marina fa ny fifanarahana dia ho anontaniana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَوۡفُواْ ٱلۡكَيۡلَ إِذَا كِلۡتُمۡ وَزِنُواْ بِٱلۡقِسۡطَاسِ ٱلۡمُسۡتَقِيمِۚ ذَٰلِكَ خَيۡرٞ وَأَحۡسَنُ تَأۡوِيلٗا
Ary ataovy feno tsara ny famarana, raha mamatra ianareo, ary mandanjà amin’ny fandanjana marina ianareo, fa izany no tsara (ho anareo), ary tena mendrika tokoa ny vokany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَقۡفُ مَا لَيۡسَ لَكَ بِهِۦ عِلۡمٌۚ إِنَّ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡبَصَرَ وَٱلۡفُؤَادَ كُلُّ أُوْلَٰٓئِكَ كَانَ عَنۡهُ مَسۡـُٔولٗا
Ary aza manaraka izay tsy anananao fahalalana ianao. Marina fa ny fandrenesana, ny fahitana, ny fo, izy rehetra ireny dia ho anontaniana ny olombelona avokoa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَمۡشِ فِي ٱلۡأَرۡضِ مَرَحًاۖ إِنَّكَ لَن تَخۡرِقَ ٱلۡأَرۡضَ وَلَن تَبۡلُغَ ٱلۡجِبَالَ طُولٗا
Ary aza manitsaka eny amin’ny tany amim-pireharehana ianao, marina fa ianao dia tsy hahavaky ny tany mihitsy, ary tsy hahatratra na oviana na oviana ny haavon’ny tendrombohitra ianao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كُلُّ ذَٰلِكَ كَانَ سَيِّئُهُۥ عِندَ رَبِّكَ مَكۡرُوهٗا
Izany rehetra izany, dia ankahalan’ny Tomponao izay ratsy Aminy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់អ៊ីសរ៉ក
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ