Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អ៊ីព្រហ៊ីម   វាក្យខណ្ឌ:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِٱلۡحَقِّۚ إِن يَشَأۡ يُذۡهِبۡكُمۡ وَيَأۡتِ بِخَلۡقٖ جَدِيدٖ
Moa ve tsy hitanao fa i Allah dia Nahary ireo lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana ? Raha sitrany dia ho nofoanany tanteraka Ianareo, ary hampisy zava-boary vaovao Izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَا ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ بِعَزِيزٖ
Ary tsy sarotra velively amin’i Allah izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَبَرَزُواْ لِلَّهِ جَمِيعٗا فَقَالَ ٱلضُّعَفَٰٓؤُاْ لِلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُوٓاْ إِنَّا كُنَّا لَكُمۡ تَبَعٗا فَهَلۡ أَنتُم مُّغۡنُونَ عَنَّا مِنۡ عَذَابِ ٱللَّهِ مِن شَيۡءٖۚ قَالُواْ لَوۡ هَدَىٰنَا ٱللَّهُ لَهَدَيۡنَٰكُمۡۖ سَوَآءٌ عَلَيۡنَآ أَجَزِعۡنَآ أَمۡ صَبَرۡنَا مَا لَنَا مِن مَّحِيصٖ
Ary hiseho eo anatrehan’i Allah daholo izy rehetra, ka hiteny ireo kanosa amin’ireo mpanambony tena nanao hoe : “ Izahay dia tena mpanaraka Anareo teo aloha. Moa ve Ianareo afaka hiaro Anay kely amin’ny sazin’I Allah ? ” Hiteny ireo sasany ka nanao hoe : “ Raha notarihan’i Allah làlana Izahay dia ho notarihinay làlana ihany koa Ianareo. Mitovy ihany izany ho antsika, na mitaraina na miharitra, tsy ahita làlana hivoahana mihitsy Isika.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَالَ ٱلشَّيۡطَٰنُ لَمَّا قُضِيَ ٱلۡأَمۡرُ إِنَّ ٱللَّهَ وَعَدَكُمۡ وَعۡدَ ٱلۡحَقِّ وَوَعَدتُّكُمۡ فَأَخۡلَفۡتُكُمۡۖ وَمَا كَانَ لِيَ عَلَيۡكُم مِّن سُلۡطَٰنٍ إِلَّآ أَن دَعَوۡتُكُمۡ فَٱسۡتَجَبۡتُمۡ لِيۖ فَلَا تَلُومُونِي وَلُومُوٓاْ أَنفُسَكُمۖ مَّآ أَنَا۠ بِمُصۡرِخِكُمۡ وَمَآ أَنتُم بِمُصۡرِخِيَّ إِنِّي كَفَرۡتُ بِمَآ أَشۡرَكۡتُمُونِ مِن قَبۡلُۗ إِنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Ary hiteny i Satana, rehefa tapaka ny didy rehetra ka nanao hoe : “ Marina fa i Allah dia nampanantena Anareo fampanantenàna marina, fa izaho kosa dia nampanantena Anareo (zavatra) izay tsy notanterahiko ary tsy nanana fahefana taminareo Aho, fa niantso Anareo fotsiny Aho, ary dia namaly Ahy Ianareo. Aza manome tsiny Ahy Ianareo, fa ny tenanareo no omeo tsiny. Tsy afaka hamonjy Anareo Aho, ary Ianareo koa dia tsy afaka hamonjy Ahy. Izaho dia mitsipaka tanteraka izay natambatrareo Tamiko tany aloha. Marina fa ireo mpanao ny tsy rariny dia ho azy ireo ny sazy mamirifiry.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأُدۡخِلَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَا بِإِذۡنِ رَبِّهِمۡۖ تَحِيَّتُهُمۡ فِيهَا سَلَٰمٌ
Ary hampidirina ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ao anatin’ireo zaridaina (Paradisa) izay misy rano mikoriana ao ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo nohon'ny fanomezan-dàlan’ny Tompon’izy ireo. Ary ny fiarahabana azy ireo[89] ao dia : “ salama (fiadanana).”
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَمۡ تَرَ كَيۡفَ ضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلٗا كَلِمَةٗ طَيِّبَةٗ كَشَجَرَةٖ طَيِّبَةٍ أَصۡلُهَا ثَابِتٞ وَفَرۡعُهَا فِي ٱلسَّمَآءِ
Tsy hitanao va ahoana no nanaovan’i Allah fanoharana ny teny tsara ? Dia mitovy amin’ny hazo tsara iray, izay miorina tsara ny fakany, ary ny rantsany dia manakatra ny habakabaka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អ៊ីព្រហ៊ីម
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ