Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: យូសុហ្វ   វាក្យខណ្ឌ:
فَلَمَّا جَهَّزَهُم بِجَهَازِهِمۡ جَعَلَ ٱلسِّقَايَةَ فِي رَحۡلِ أَخِيهِ ثُمَّ أَذَّنَ مُؤَذِّنٌ أَيَّتُهَا ٱلۡعِيرُ إِنَّكُمۡ لَسَٰرِقُونَ
Rehefa avy nanome tahirin-tsakafon’izy ireo Izy, dia nataony tao anaty kitapon’ireo Rahalahiny ny kaopy. Dia nisy mpiantso nanao hoe :“ O Ianareo mpandeha ! mpangalatra Ianareo ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالُواْ وَأَقۡبَلُواْ عَلَيۡهِم مَّاذَا تَفۡقِدُونَ
Nitodika izy ireo sady niteny ka nanao hoe : “ Inona no tadiavinareo ? ”
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالُواْ نَفۡقِدُ صُوَاعَ ٱلۡمَلِكِ وَلِمَن جَآءَ بِهِۦ حِمۡلُ بَعِيرٖ وَأَنَا۠ بِهِۦ زَعِيمٞ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mitady ny kaopy lehibe an’i mpanjaka Izahay. ka izay mahita azy, dia ahazo valisoa entana tongan’ny rameva anakiray. Ary Izaho no mpiantoka amin’izany ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالُواْ تَٱللَّهِ لَقَدۡ عَلِمۡتُم مَّا جِئۡنَا لِنُفۡسِدَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا كُنَّا سَٰرِقِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah ! fantatrareo tsara fa tsy tonga handoto ity faritra ity Izahay ary tsy mpangalatra ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالُواْ فَمَا جَزَٰٓؤُهُۥٓ إِن كُنتُمۡ كَٰذِبِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Inona àry no saziny raha mpandainga Ianareo ? ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالُواْ جَزَٰٓؤُهُۥ مَن وُجِدَ فِي رَحۡلِهِۦ فَهُوَ جَزَٰٓؤُهُۥۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلظَّٰلِمِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Ny sazy mendrika hoan'izay ahitana ilay kaopy ao amin’ny entany, dia ny tenany ihany no lasa hatao andevo amin'izay nataony tahaka izany tokoa no hanasazianay ireo mpanao ny tsy rariny ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَبَدَأَ بِأَوۡعِيَتِهِمۡ قَبۡلَ وِعَآءِ أَخِيهِ ثُمَّ ٱسۡتَخۡرَجَهَا مِن وِعَآءِ أَخِيهِۚ كَذَٰلِكَ كِدۡنَا لِيُوسُفَۖ مَا كَانَ لِيَأۡخُذَ أَخَاهُ فِي دِينِ ٱلۡمَلِكِ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُۚ نَرۡفَعُ دَرَجَٰتٖ مَّن نَّشَآءُۗ وَفَوۡقَ كُلِّ ذِي عِلۡمٍ عَلِيمٞ
Nanomboka nisava kitapon’ireo hafa izy (Yosofa) mialohan’ny hisavany ny kitapon’ny Rahalahiny; avy eo dia navoakany izany avy tao anatin’ny kitapon’ny Rahalahiny. Ary tahaka izany no nanoroanay hevitra an’i Yosofa (Josefa), satria tsy afaka hisambotra ny Rahalahiny Izy, araka ny lalànan’ny mpanjaka, raha tsy sitrak’i Allah izany. Izahay no mampiakatra amin’ny laharana ambony izay sitrakay. Ary misy manam-pahaizana hatrany ambon’izay Olona manam-pahalalana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ قَالُوٓاْ إِن يَسۡرِقۡ فَقَدۡ سَرَقَ أَخٞ لَّهُۥ مِن قَبۡلُۚ فَأَسَرَّهَا يُوسُفُ فِي نَفۡسِهِۦ وَلَمۡ يُبۡدِهَا لَهُمۡۚ قَالَ أَنتُمۡ شَرّٞ مَّكَانٗاۖ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا تَصِفُونَ
. Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Raha mangalatra Izy dia efa nangalatra ihany koa ny Ralahiny teo aloha fa nafenin’i Yosofa (Josefa) tamin’ny tenany ihany izany (teny Izany), ka tsy navoakany azy ireo ”. Niteny Izy nanao hoe : ” Ianareo no tena ratsy toerana indrindra ! fa i Allah no tena Mahalala izay tanisanareo ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالُواْ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡعَزِيزُ إِنَّ لَهُۥٓ أَبٗا شَيۡخٗا كَبِيرٗا فَخُذۡ أَحَدَنَا مَكَانَهُۥٓۖ إِنَّا نَرَىٰكَ مِنَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” O ry manam-boninahitra hajaina; manan-dray tena antitra Izy, koa tazony amin’ny toerany ny iray Aminay. Tena hitanay fa anisan’ny mpanao soa Ianao ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: យូសុហ្វ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ