Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: យូនូស   វាក្យខណ្ឌ:
أَلَآ إِنَّ أَوۡلِيَآءَ ٱللَّهِ لَا خَوۡفٌ عَلَيۡهِمۡ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ
Tena marina fa ireo sakaizan’i Allah dia tsy hanam-patahorana ary tsy ho alahelo mihitsy izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَكَانُواْ يَتَّقُونَ
Ireo izay nino sy izay natahotra (an’i Allah).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَهُمُ ٱلۡبُشۡرَىٰ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَفِي ٱلۡأٓخِرَةِۚ لَا تَبۡدِيلَ لِكَلِمَٰتِ ٱللَّهِۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
Misy ho azy ireo ny vaovao mahafaly ety amin’ny fiainana an-tany sy amin’ny fiainana any an-koatra. Tsy hisy fiovana ireo tenin’i Allah. Izany no ilay fahombiazana lehibe.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا يَحۡزُنكَ قَوۡلُهُمۡۘ إِنَّ ٱلۡعِزَّةَ لِلَّهِ جَمِيعًاۚ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Aoka tsy hampalahelo Anao ny tenin’izy ireo. Marina fa ny hery rehetra dia ho an’i Allah. Izy ilay Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَآ إِنَّ لِلَّهِ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِۗ وَمَا يَتَّبِعُ ٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ شُرَكَآءَۚ إِن يَتَّبِعُونَ إِلَّا ٱلظَّنَّ وَإِنۡ هُمۡ إِلَّا يَخۡرُصُونَ
Moa tsy marina fa an’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra eto an-tany. Inona no arahin’ireo izay miantso ny mpiara- miombon’antoka ankoatr’i Allah ? Tsy manaraka izy ireo afa-tsy ny eritreritra ary tsy manao izy ireo afa-tsy ny mandainga.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
هُوَ ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلَّيۡلَ لِتَسۡكُنُواْ فِيهِ وَٱلنَّهَارَ مُبۡصِرًاۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يَسۡمَعُونَ
Izy izay manao ho Anareo ny alina mba hialanareo sasatra ary ny andro mba ahafahanareo mahita ny mazava. Tena marina, fa ao anatin’izany dia misy famantarana maro ho an’ny vahoaka mihaino.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالُواْ ٱتَّخَذَ ٱللَّهُ وَلَدٗاۗ سُبۡحَٰنَهُۥۖ هُوَ ٱلۡغَنِيُّۖ لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ إِنۡ عِندَكُم مِّن سُلۡطَٰنِۭ بِهَٰذَآۚ أَتَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Miteny izy ireo hoe : “Nanan-janaka Allah”, Azy anefa ny Voninahitra sy ny Fahadiovana! Izy no Ilay manana ny ampy tanteraka. Azy avokoa izay rehetra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany; tsy manana porofo amin’izany ianareo. Hiteny zavatra mifanohitra amin’Allah amin’izay tsy fantatrareo va ianareo ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُلۡ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ لَا يُفۡلِحُونَ
Teneno hoe : " Marina fa ireo izay mamoron-dainga momba i Allah dia tsy hahita fahombiazana mihitsy ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
مَتَٰعٞ فِي ٱلدُّنۡيَا ثُمَّ إِلَيۡنَا مَرۡجِعُهُمۡ ثُمَّ نُذِيقُهُمُ ٱلۡعَذَابَ ٱلشَّدِيدَ بِمَا كَانُواْ يَكۡفُرُونَ
Izany dia fahafinaretana mandalo eto an-tany ary dia aty Aminay no fiverenan’izy ireo, avy eo ihany koa dia hampandramananay azy ireo ny sazy mahery vaika nohon'izy ireo tsy nino no sady tsy manampinoana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: យូនូស
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ