Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અશ્ શુઅરાઅ   આયત:
فَلَمَّا تَرَٰٓءَا ٱلۡجَمۡعَانِ قَالَ أَصۡحَٰبُ مُوسَىٰٓ إِنَّا لَمُدۡرَكُونَ
Avy eo, rehefa nifampitazana ny andiany roa, dia niteny ireo olon’i Mosesy hoe : “Marina fa efa ho tratra tokoa isika”.
અરબી તફસીરો:
قَالَ كَلَّآۖ إِنَّ مَعِيَ رَبِّي سَيَهۡدِينِ
Niteny izy (Mosa) hoe : “Tsia! Tena miaraka amiko ny Tompoko, ka hitari-dalana ahy Izy”.
અરબી તફસીરો:
فَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰٓ أَنِ ٱضۡرِب بِّعَصَاكَ ٱلۡبَحۡرَۖ فَٱنفَلَقَ فَكَانَ كُلُّ فِرۡقٖ كَٱلطَّوۡدِ ٱلۡعَظِيمِ
Ka nandefa fanambarana tamin’i Mosesy Izahay hoe : “Kapohy amin’ny tehinao ny ranomasina”. Dia nizara roa izany, ka toy ny tendrombohitra lehibe avo ny andaniny sy ny ankilany.
અરબી તફસીરો:
وَأَزۡلَفۡنَا ثَمَّ ٱلۡأٓخَرِينَ
Ary nampanatoninay ny sasany (Faraona sy ny vahoakany)
અરબી તફસીરો:
وَأَنجَيۡنَا مُوسَىٰ وَمَن مَّعَهُۥٓ أَجۡمَعِينَ
Fa navotanay i Mosesy sy ireo izay niaraka taminy rehetra.
અરબી તફસીરો:
ثُمَّ أَغۡرَقۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ
Avy eo dia narendrikay ireo sasany.
અરબી તફસીરો:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
અરબી તફસીરો:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
અરબી તફસીરો:
وَٱتۡلُ عَلَيۡهِمۡ نَبَأَ إِبۡرَٰهِيمَ
Ary vakio amin’izy ireo ny vaovaon’i (tantaran’i) Abrahama.
અરબી તફસીરો:
إِذۡ قَالَ لِأَبِيهِ وَقَوۡمِهِۦ مَا تَعۡبُدُونَ
Rehefa niteny izy tamin’ny rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?”
અરબી તફસીરો:
قَالُواْ نَعۡبُدُ أَصۡنَامٗا فَنَظَلُّ لَهَا عَٰكِفِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Manompo sampy izahay, ary tsy hitsahatra hiraiki-po amin’izy ireo”.
અરબી તફસીરો:
قَالَ هَلۡ يَسۡمَعُونَكُمۡ إِذۡ تَدۡعُونَ
Niteny izy hoe : “Moa ve mandre anareo izy ireo rehefa miantso ianareo ?
અરબી તફસીરો:
أَوۡ يَنفَعُونَكُمۡ أَوۡ يَضُرُّونَ
Na koa manome tombontsoa anareo ? Na hanisy ratsy anareo ?
અરબી તફસીરો:
قَالُواْ بَلۡ وَجَدۡنَآ ءَابَآءَنَا كَذَٰلِكَ يَفۡعَلُونَ
Niteny izy ireo hoe : “Tsia ! Fa izahay nahita ireo razambenay dia tahaka izany no nataony”.
અરબી તફસીરો:
قَالَ أَفَرَءَيۡتُم مَّا كُنتُمۡ تَعۡبُدُونَ
Niteny izy:moa ve hitanareo izay notompoinareo.
અરબી તફસીરો:
أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُمُ ٱلۡأَقۡدَمُونَ
Ianareo sy ireo razambenareo taloha ?
અરબી તફસીરો:
فَإِنَّهُمۡ عَدُوّٞ لِّيٓ إِلَّا رَبَّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Tena marina fa izy ireo dia fahavaloko daholo, afa-tsy ny Tompon’izao tontolo izao.
અરબી તફસીરો:
ٱلَّذِي خَلَقَنِي فَهُوَ يَهۡدِينِ
Izay nahary ahy ary Izy no mitari-dalana ahy.
અરબી તફસીરો:
وَٱلَّذِي هُوَ يُطۡعِمُنِي وَيَسۡقِينِ
Ary Izy no nampihinana ahy sy nampisotro ahy.
અરબી તફસીરો:
وَإِذَا مَرِضۡتُ فَهُوَ يَشۡفِينِ
Ary raha marary aho, dia Izy no manasitrana ahy.
અરબી તફસીરો:
وَٱلَّذِي يُمِيتُنِي ثُمَّ يُحۡيِينِ
Ary Izy no hamono ahy, avy eo hanome aina ahy indray.
અરબી તફસીરો:
وَٱلَّذِيٓ أَطۡمَعُ أَن يَغۡفِرَ لِي خَطِيٓـَٔتِي يَوۡمَ ٱلدِّينِ
Ary Izy ilay irìko hamela ireo fahadisoako, amin’ny andro fanomezana ny valin’asa.
અરબી તફસીરો:
رَبِّ هَبۡ لِي حُكۡمٗا وَأَلۡحِقۡنِي بِٱلصَّٰلِحِينَ
Tompo ô ! Omeo fahendrena aho, ary ataovy miaraka amin’ireo olo-mendrika.
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અશ્ શુઅરાઅ
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો